Miha olona ny fiaraha-monina rehefa mahay mangoraka sy mamindra fo ny fahalemen'ny hafa ny tsirairay, ary manampy azy hiala amin'izany fahalemena izany. Mitaky halemempanahy sy fanetrentena ny fahaiza-mangoraka. Ao anatin'ny fitiavana tsy mitaky valiny no hanatanterahana izany. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry. 

Masina Maria, môdelin’ny fangorahana "hatsaram-panahy ny famindram-po sy ny fangorahana" ; ny olona manetry tena ihany anefa no ho afaka mamindrà fo sy mangoraka.  Hatsaram-panahy fototra ny fanetren-tena, ary io hatsaram-panahy io no nanainga an’i Masina Maria hangoraka nyr ahahavaviny, i Mb Elisabeth. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry. 

Fangorahana sy famindram-po, antso ho an’ny Eglizy ankehitriny. Fa iza moa ny Eglizy ? Araka fampianaran’ny Kônsily Vatikana II, ao amin’ny foto-pampianarana momba ny Eglizy "Fahazavan’izao tontolo izao", toko fahatelo, dia ny vahoakan’Andriamanitra tsivakivolo no   Eglizy satria  ireo no tolorany ny famojena. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry. 

Fangorahana sy famindram-po, toe-tsaina ilàna fizàrana na fahazarana. Tsy hoe fihetseham-po mandeha ho azy ny mangoraka sy ny mamindra fo fa toetra   volena   mba   hanahafana   an’Andriamanitra   mangoraka   ny   vahoakany   sy mangoraka   azy   amin’ny   halemeny. Tsy hisy hahatsapa ho tena sambatra raha mbola misy ny mijaly. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...