Misy sivana tokony ho tsarovan'ireo mpanely tsaho sy mpilaza vaovao ireto, izay hatao hoe "test de trois passoires" : voalohany, marina ve ilay resaka tiana ho lazaina ; faharoa, tsara ho an'ny rehetra ve ; fahatelo, ilaina ve ny ampahafantarana ilay vaovao. Raha resaka tsy marina sy tsy mahasoa ary tsy ilaina na ho anao na ho an'ny hafa dia tokony alevina ; tokony mijoro amin'ny fahamarinana hatrany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

Fanaon'ny mpanely tsaho sy mpilaza vaovao tsy marina ny mitady fomba mba hiverimberenan'ilay hafatra na tsaho tiany aely, mba ho maro ny hino azy ary hahatonga azy ho toy ny hoe tena zava-nisy sy vaovao marina tokoa ilay ambarany. Aza Manampy ny ratsy fanahy ka mitsangan-ko vavolombelona manombotomboka (Eksaody 23, 1). Tsy tokony ho baikon'ny fihetseham-po ny olona iray. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

Hoy ny Ntaolo : avadibadiho im-pito aloha ny lela alohan'ny hiteny ; izany hoe manontany tena raha azo antoka ny loharano nahenoana resaka mialohan'ny hitantarana azy amin'ny olona hafa. Amin'ny fehezan-teny tokana dia : tsy maintsy mamakafaka sy manadihady vao miteny. Mila mandinika isika, mitady ny loharano marim-pototra sy mazava fa tsy milaza zavatra manjavozavo na honohono. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

Ny tsy fahalalana ny marina no fototry ny fanelezana tsaho sy ny vaovao tsy marina. Tokony hiezaka hamantatra ny marina vao milaza zavatra iray amin'ny olona hafa. Mila malina mandrakariva amin'ny fisian'ny tsaho. Tsy zoviana amintsika intsony ny fisian'ilay antsoin'i Jesoa hoe "mpaminany sandoka" ; aelin'izy ireny hisarihana ny sain'ny olona ny hoe "ho tonga ny farandro"... Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...