Ny tanora manoloana ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisanan'ny mpiara-belona : misy ny loza manambana, mitatao, efa mihatra mihitsy aza. Betsaka ny tanora no roboka amin'ny vela-pandrika aroson'ny olona ao amin'ny fitaovam-pifandraisana toy farotra zava-mahadomelina. Ny tanjon'ireo mpamorona ny fitaovam-pifandraisana dia ny handresy lahatra ny maro amin'ny endrika maro lafy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

Misy voka-dratsiny ny fivelarana sy ny fandrosoan'ny fifandraisana ankehitriny satria taloha no nisy ny dinika amoro-patana fa amin'izao fotoana izao dia samy maka ho azy. Nihena na foana ny fihaonan'ny mpianakavy, mifandray amin'ny any ivelan'ny tokantrano fa mifanalavitra ara-pifandraisana amin'ny ao an-trano. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

Rehefa ampy fahalalana amin'ny fampisana ny fitaovam-pifandraisana dia mitombo ihany koa ny fahalalana, mirindra ny fiainana ao an-trano. Mivelatra ny fifandraisana amin'ny fiaraha-monina, mitombo ny fahalalana ny  zava-misy toy ny fahalalam-baovao. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

Adidin'ny mpivady no manabe ny zanany hahay hifandray amin'ny mpiara-belona ; ary hahay hampiasa ny fitaovam-pifandraisana eny manampy amin'ny fampitàna fahalalana. Ny fisian'ny fitaovam-pifandraisana dia misy lafiny tsara ho an'ny olombelona izay mahay mandanjalana ny fampiasana azy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...