Misy ny fahatongavan-tsaina rehefa mihatra ny voina, ohatra rehefa tondraka ny rano, mihotsaka ny tany, rehefa mihantona ny orana, miakatra be ny hafanana ; saingy fifanomezan-tsiny no mahazo laka ; adino fa samy tompon'andraikitra amin'ny zava-misy izay nanao antsirambina. Maro ireo andro iraisam-pirenena na eran-tany hanomezana lanja ny mikasika ny tontolo iainana. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

Ny tena soa ho an'ny olombelona sy ny zava-boahary hatrany no tokony hokatsahina. Aoka hotombanana ambony indrindra hatrany ny hasina maha-olona, ary miaraka amin'izay ny zava-manana aina hafa. Aoka tsy hoviraviraina tafahoatra amin'ny fanandramana ny aina. Raha misompatra sy manara-po ny olombelona dia iharan'ny hatezeran'ny natiora, toy ny tondra-drano, hain-tany, aretina. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

Sitrak'Andriamanitra ny fivoarana sady soa ho an'ny zava-boahary rehetra satria mampamokatra ilay tso-drano tany am-piandohana hoe mitomboa ; ka ilay hoe mitombo dia sady mitombo isa no mitombo hatsarana. Tsara ny manamarika fa tsy fandrosoana ny fandringanana sy ny fifaninanana amin'Andriamanitra ; manoloana ny zava-boahary dia mpanjaka isika fa tsy mpanjakazaka. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

Voavondrona sy voafintina ao amin'ny olombelona ny zavatra rehetra araka izay voasoratra hoe : anareo ny zavatra rehetra, ianareo an'i Kristy ary i Kristy an'Andriamanitra. Ny fanilovan'ny Tenin'Andriamanitra momba ny fahariana sy ny fahiratan-tsain'Andriamanitra no nahafahan'ny olombelona mivoatra ; tsy tokony hihantsy an'Andriamanitra araka izany ny olombelona na hanohitra ny lalan'ny natiora. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...