Ao amin'i Kristy maty sy nitsangan-ko velona dia tafarina indray ny misy rehetra. Ao no tonga amin'ny fanaperana izao voahary rehetra izao, mivondrona ho iray. Hajaintsika manokana i Md François avy any Asizy fa mampianatra antsika handray ny zava-boahary rehetra ho toy ny namana. Tsy hoe hatao sakafo na fanafody na ho fitaovana no anton'ny zava-boahary voalohany fa ny ho namana. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Mivondrona ao amin'i Kristy ny zavatra rehetra. Ny taranaka ankehitriny dia mbola misitraka ny tombontsoa maro avy amin'ny tontolo iainana fa raha tsy manitsy ny fiainantsika dieny izao isika dia hampandova fahantrana sy tontolo iainana efa rotidrotika ho an'ny taranaka ho avy. Aoka tsy ho tia tena fa mba hifampitsinjo ary hanao ho zava-dehibe ny "soa iombonana". I Kristy no ivondronan'ny zava-boahary sy ny olombelona. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Maro ny mamboly hazo fa amporisihana hatrany ny tsirairay hanohy izany satria efa lasa nosy mena i Madagasika ilay nosy maitso fahiny ; lasa tany ngazana ilay tanindrazana. Rehefa tsara ny vokatra dia mazot ny olona hisehatra amin'ny fambolena sy ny fiompiana, amporisihana araka izany ny teknisiana hanohy ny asa fikarohana hanatsara masomboly sy taranaka biby fiompy. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Tsy hisalasalàna ny hasarobin'ny tontolo iainana, eo koa ny loza mihatra raha simba izy, koa irariana ny mba hatonga saina ny rehetra manoloana ireo tranga ireo. Ny fahadiovana no tsy maintsy hanombohana ny asa momba ny tontolo iainana ; manaraka izany ny fanadiovana sy ny fanarenana ary tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fanajariana. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco