Lafiny roa no azo hamaritana ny atao hoe: tontolo iainana. Ny voalohany dia ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra hivelomantsika olombelona (iankinan’ny aina) tany, rivotra, rano, afo sns. Ny faharoa dia ireo nohajarintsika olombelona : taozavatra, asa tanana, lalana sns… natao ireny mba hanamorana sy hampirindra; hanatsarana sy hiarovana ny fiainana (aina). Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Eo anivon’izao tontolo izao no naharian’Andriamanitra antsika olombelona. Jen 1, “Noharian’Andriamanitra izao rehetra izao (Rano, tany, rivotra, ny hazavana sns …) izay Izy vao nahary ny olombelona. Noho izany tsy misaraka ary miankina tanteraka amin’ny tontolo manodidina antsika ny fahavelomana sy ny fivoarana ary ny fitombohantsika olombrelona... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Raha ity lohahevitra ity no raisina dia azo ambara fa maneho ny maha izy ny kristianina tsirairay avy ny fanajana ny tontolo iainana. Izany hoe: mamaritra ny toe-piainana sy ny adidy tokony atao mba ho voninahitr’Andriamanitra voalohany indrindra ary ny faharoa dia mba ho fiadanana ho antsika olombelona. Ny hoe kristianina dia tsy hoe mankatoa an’A/tra fotsiny, fa manaja ihany koa ireo noahariany. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Ny zava-boahary, tontolo iainana dia midika hoe : fanomezan'Andriamanitra ankininy amin'ny olombelona ; asan-tanan'Andriamanitra ; voninahitr'Andriamanitra, itarafana ny hatsarany ; soa ho an'ny olombelona ; adidy sy andraikitry ny olombelona indrindra ny fikarakarana sy ny fampivoarana azy ; voalahatra ho amin'ny famonjena ; manampy ny olona amin'ny litorjia, miray feo aminy midera ny Mpahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco