Fanomezan'Andriamanitra ny fahanterana. Valim-babena ny fanajana ny ray aman-dreny zokiolona. Reharehan'ny fianakaviana ny manana zokiolona ary mampisy fanantenana ny taranany. Ny zokiolona dia manana ny kilemany, mety ho ratsy fitondran-tena fa rehefa mananatra izy dia manabe, mikendry ny soa hatrany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
Tamin'ny nisian'ny valanaretina Covid-19 izay tsy nahafahana nifamezivezy no nanamafy orina ny fifandraisan'ny mpianakavy niombom-bavaka, nanamafy ny fifatoran'ny mpianakavy, afaka maneho ny heviny ny Zokiolona. Napetraka ny anjara-toeran'ny zokiolona fanomezam-boninahitra ireo ray aman-dreny izay nisahirana ho an'ny taranany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
Tamin'ny taona 2016 ny Papa François no nanentana ny hanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny "Raibe sy Renibe" na ny "Zokiolona". Vokatry ny Sinaodin'ny Eveka momba ny fianakaviana namoaka ny taratasy fanentanana apôstôlika "amoris laetitia" : hafaliana vokatry ny fitiavana. Ny taona 2019 natokana ho taonan'i Md Joseph, lohan'ny fianakaviana. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
Vahaolana amin'ny fifanoherana ny fifampiresahana satria miova isaky ny olona sy arakaraky ny taona ny toetra amam-pihetsiky ny olona iray. Ny toetrandro miova fa tsy miova ny tsara ka mila alalinina isan'izany ny mahatsara an' Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco