Mila mandray andraikitra ny Fanjakàna amin'ny fametrahana paik'ady mahomby sy fomba hentitra hoenti-miady amin'ny fanondranana an-tsokosoko sy fiparitahan'ireny zava-mahadomelina ireny. Mila mametraka ny lalàna mifehy ny famokarana sy ny famarotana ny zava-mahadomelina ny Fanjakàna. Mila omena loharanon-karena hafa ny mpikirakira zava-mahadomelina mba handaozany ireo vokatra tsy ara-dalàna ireo. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny fianakaviana dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanafahana ny olona iray amin'ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Ilaina ny fahaiza-mihaino malalaka sy mavitrika ary tsy mitsara an'ireo izay tafalatsaka amin'ny zava-mahadomelina. Ny sekoly dia manana anjara amin'ny fitsaboana sy fanohanana ireo tratry ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina, fa indrindra ny fisorohana. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny fiangonana dia tsy manaiky ny fanalalahana ny zava-mahadomelina malefa, tokony beazina ny feon'ny fieritreretantsika tsirairay amin'ny alalan'ny fivavahana sy fandinihana isan'andro. Tanjon'ny fiangonana ny hanabe sy hanentana ny mpikambana ao aminy sy ny fiaraha-monina mikasika ny loza ateraky ny zava-mahadomelina, manome fanohanana ara-panahy, mifanampy amin'ny fikambanana. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Raha tiana ny hasitranan'ny olona iray nandray zava-mahadomelina dia ezahina ny famerenana azy any amin'ny fiaraha-monina niaviany, tsy maintsy miara-dia aminy isika. Ny olona notsaboina noho ny fandraisana zava-mahadomelina dia tokony homena hasina hatrany ary tolorana fitiavana. Ny fanilikilihana ny olona avy notsaboina noho ny zava-mahadomelina dia mandatsaka azy indray ao anatin'ny fidorohana. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco