Zo fototra iorenan'ny fiainam-pianakaviana ny asa, ary miantoka ny fizotry ny fanabeazana. Mifamatotra sy mifampiankina ny fiainan'ny fianakaviana sy ny asa. Mba hananan'ny olona tsirairay ny vintana mitovy sy ny haja sahaza dia ilaina mametraka pôlitika mahomby momba ny asa ; ilaina izany mba ho fanomezana vahana ny maha-fototra ny fianakaviana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Adidin'ny Fanjakàna ny manohana ny orinasa osa ; ohatra amin'ny lafiny fitaterana. Fitsinjovan'ny Fanjakàna ny vahoaka ny fanohanana ny orinasa. Misy ny fifanekena mitandro ny zo hanana asa, fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Anatin'ny fifanekena no hametrahana ny fanajana ny zo sy ny hasina ary ny rariny ho an'ny mpiasa sy ny mpampiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Adidin'ny Fanjakàna ny mampihatra pôlitika mahomby ny asa ka isan'izany ny manome vahana ny famoronana ny asa manerana ny firenena, eo koa ny fanohanana ny olona amin'ny asa famokarana. Adidin'ny Fanjakàna ihany koa no mampirisika ny olona hiantsehatra satria tsy ho araky ny Fanjakàna irery izany fa na izany aza dia tsy maintsy miezaka araka izay tratra ny mpitantana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Manimba ny maha-olona ny midonanam-poana. Mahasoa ny vatana sy ny saina ny miasa fa tsy hihinana fotsiny, izany hoe mitsinjo ny hafa ihany koa. Tompon'andraikitra amin'ny tsy fananana asa ny mpitondra rehefa manapotika orinasa tsy ara-drariny sy manimba ny tontolon'ny asa. Adidin'ny Eglizy ny miteny manoloana ireny tsy rariny ireny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...