Amin'ny maha kristiana, ny mivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra ; mino isika fa Andriamanitra dia miresaka amintsika olombelona na miteny amin'ny fomba maro. Raha milaza ho kristiana isika dia tokony hivavaka mandrakariva. Ny tokony hisongadina amin'ny vavaka ataontsika dia ny fisaorana, fitsaohana, fifonana izay vao mangataka. Tsy afaka misaraka ny  ny vavaka sy ny finoana araka ny fampianaran'i Jesoa. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Ny vavaka dia fofon'ain'ny finoana. Ny olona mino sy matahotra an'Andriamanitra no miantsoantso mamoaka feo avy ao am-pony toa miantso vonjy. Amin'izao taonan'ny vavaka izao dia mifototra amin'ny mistery ny vavaka na ny zava-miafina fonosin'ny vavaka no resahin'ny Papa François amin'ny katesizy. Ny vavaka no mamelona ny finoantsika, koa aoka samy hiezana hanatsara ny fomba fivavahana. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Ny vavaka nataon'i Jesoa dia mariky ny fifandraisana sy ny fifankahazoana lalina tao aminy sy Andriamanitra Ray ; noho izany , izay tia vavaka tsy tapaka dia miombona tanteraka amin'i Jesoa sy amin'Andriamanitra Rainy. Miafina ao natin'ny misterin'ny fahariana ho antsika olombelona manokana, ny vidin'ny fahoriana amam-pijaliana ; ny fangalana ny taolan-tehezan'i Adama hanamboarana an'i Eva dia nisy ratra miafina. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Manambara ny misterin'ny fahariana vaovao ny vavak'i Jesoa satria ao Izy no miezaka manavao ny zavatra rehetra sy hamerina amin'ny laoniny ny fahariana taloha izay niantsoana ny olombelona ho amin'ny fifampizarana sy fahasambarana. Tsarovy fa na ho aiza isika na ho aiza dia tsy misy famonjena raha tsy misy fijaliana. Mila mifampitondra am-bavaka isika satria Jesoa aza Andriamanitra nivavaka mba hatontosa ny famonjena, maika fa isika? Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...