Tokony ho tsapatsika fa tsy miteny irery na manao antso an'efitra isika na miresaka amin'ny rivotra rehefa mivavaka fa tena misy sofina mihaino sy olona manongilantsofina. Tsy hoe ren'Andriamanitra fotsiny ny vavaka ataontsika fa tena mihaino ny vavaka ataontsika izy. Raha mifandray amin'Andriamanitra isika dia tsy hoe foana ny olana fa kosa mitodika sy mitarika antsika makany amin'ny tsara kokoa. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ny fifandraisana hita ao amin'ny vavaka na ny Salamo dia fifandraisana manokana, ilay atao amin'ny teny vahiny frantsay hoe "relation interpersonnel. Ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra dia akaiky, toy ny fifandraisan'ny mpifankatia, findraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka ; eo anatrehan'Andriamanitra isika dia malala. Tsapan'ny olona tsara io fifandraisana io ao amin'ny Salamo, Andriamanitra tsy mba mandao. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ny vavaka dia resaka amin'Andriamanitra, fanondrotana ny fanahy mankany amin'Andriamanitra ; ny Salamo dia pôezia sy tononkalo natao ho hiraina, izay mila aingam-panahy. Misy karazana endrika maro ao amin'ny Salamo : misy ny Salamon'ny mpanjaka, misy ny fidirana ao an-tempoly, misy fanao amin'ny fivahinianana masina, misy hiran'ny Siôna, misy fampitana hafatra sy lesona. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ny Testamenta Taloha dia mizara 4 : Pentateoka, ny bokin'ny tantara, Boky mirakitra tononkalo sy fahendrena ary ny Mpaminany ; ka ny Salamo dia ao amin'ny sokajy fahatelo izany hoe ao amin'ny hoe "Boky mirakitra tononkalo sy fahendrena". Isan'ireo boky fahendrena ny Salamo ka natao hampitana fahaiza-manao sy traikefa. Andriamanitra no mpanoratra ny Baiboly fa miara-miasa aminy ny olombelona. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco