Ambaran'ny Soratra Masina fa mijery ny dion-tanan'izay mivavaka Andriamanitra, ary tsara tadidiana fa tsy ny fanasàna azy amin'ny rano sy ny savony no hampadio ny tanantsika fa amin'ny tsy fampiasana azy amin'ny zava-dratsy. Noho izany na ny ataontsika na ny saintsika na ny fontsika no tsy madio dia tsy afaka ny hahita an'ilay Andriamanitra ary mazava loatra fa tsy afaka miresaka Aminy. Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa OSsT.

Ny fivavahana dia mampiditra antsika ao amin'ny Misterin'ny Trinite Masina amin'ny alalan'ny Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy no manokatra ho antsika ny lanitra ka hahafahantsika mifandray amin'Andriamanitra dia ny fifandraisana amin'ilay Andriamanitra tokana olona telo dia ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa OSsT.

Ny Olomasina no modely amin'ny finoana sy ny faharetana amin'ny vavaka. Masindahy François d'Assise : nanova ny fony sy ny asa nanirahana azy ny fiainany nivavaka sy nisaintsaina ; naharitra nivavaka izy na dia teo aza ny fahoriana. Masimbavy Monica : nivavaka nandritra ny taona maro izy ho an'ny fiovam-pon'ny zanany lahy. Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Farito mazava tsara ny fikasàn'ny vavaka, ka mifantoka amin'izay tianao hangatahana, tadiavina ny vavaka atao. Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, mandondona dia hovohana ianareo. Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...