Ny firenena izay manaiky ny fanalan-jaza ho ara-dalàna dia tsy mba firenena hampianatra ny olona ao aminy hitia, fa manome lanja ny herisetra mba hahazahoana izay ilainy. Izany no mahatonga ny fanalan-jaza ho fitaovana iray mamotika ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana eto an-tany. Na mbola tsy äry tongotra sy tanana azy ny atody ao ankibon'ny vehivavy dia efa aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Misy ny olana ateraky ny fanalan-jaza ; ny hoe fanalan-jaza dia teny somay malefaka amin'ny teny malagasy fa raha atao amin'ny dikan-teny hafa dia hoe "famonoana zaza na famonoana olona". Ireo fiantraikan'ny fanalan-jaza amin'ny olona : tsy mampilamina ny saina ka lasa manameloka ny tenany ilay olona ; ara-batana dia mety hiteraka aretina sy famoizan'aina ; fahasimban'ny tranon-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Antony mahatonga ny fanalan-jaza ihany koa ny fitaka ataon'ny lehilahy hoe hanambady vehivavy, rehefa mitondra vohoka anefa ilay vehivavy dia mitsaoka adidy ilay lehilahy, hany ka menatra ilay vehivavy dia tsy maintsy misafidy ny hanala zaza. Misy amin'ireo fanalan-jaza no tsy safidin'ny olona manao azy satria vokatry ny herisetra na fanolanana no nahazoana ilay vohoka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Ny 2/3 amin'ny firenena eto ambonin'ny tany dia mamela malalaka ny atao hoe fanalan-jaza, tamin'ny taona 2014 dia nahatratra 57.000.000 ny fanalan-jaza tamin'io taona iray io. Ny antony mahatonga ny fanalan-jaza dia ny fahantrana, ny firosoana amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra, vohoka tsy nirina ; fitondran-tena tsy mifanaraka amin'ny tenin'Andriamanitra ny vohoka tsy nirina vokatry ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambiana. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco