Mihaino ny feon'Andriamanitra no maha-mpaminany ny vahoaka ; mila maka fotoana mihitsy mba hihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina anatin'ny vavaka, ny fandinihana ny Soratra Masina, ary amin'ireo zavatra mitranga eo amin'ny fiainana misy ankehitriny. Ny Batemy dia mahatonga antsika ho mpisorona, mpanjaka ary mpaminany toa an'i Kristy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Noho ny Batemy noraisina, na ny Papa na ny Eveka na ny Pretra na ny Relijiozy sy ny lahika dia vahoak'Andriamanitra, voaantso handray anjara amin'ny maha-mpisorona an'i Kristry. Raha vahoaka mpisorona ny vahoaka mandrafitra ny  atao hoe Eglizy dia miaina ny maha-mpisorona azy amin'ny alalan'ny vavaka ataony samirery na miaraka isan'andro... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Ny Eglizy dia vahoakan'Andriamanitra, milaza ny fiombonana ara-panahy sy miharihary efa iainany sy tsy maintsy iainany mandra-pahatapitr'izao tontolo izao. Fanekem-pihavanana ny Eglizy satria teraka tamin'ny fanekem-pihavanana vaovao izay naorin'i Kristy tamin'ny rany teo amin'ny hazofijaliana. Ny Eglizy dia Misiônera na Iraka... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Tsy mamelona fotsiny ihany ny Fanahy Masina fa tena mitarika ny vahoaka ho any amin'ilay tanjon-kitodiany, dia ny Fanjakan'Andriamanitra. Io Fanjakàna io no natombok'Andriamanitra amin'ny alalan'ny famondronany ny vahoakany eto an-tany ; Fanjakàna izay tsy maintsy itarina aty aoriana, ambaram-pahatapitry ny taona rehetra ; izay ilay maha-katôlika ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...