Manoro antsika santionany amin'ny fomba fitoriana ny Evanjely i Md Lioka, araka izay voalazany ao amin'ny Lk 10, 1-11, "Mila toriana haingana sy hatraiza hatraiza ny hafatr'i kristy hoy izy ka mila mailaka aoka izany ireo Mpitory...". Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Endrika isehoan'ny fahazotoantsika hanara-dia an'i Jesoa Kristy ny fanatanterahana ny asa-pitoriana ny Vaovao Mahafaly. Vokatry ny fiantsoan'Andriamanitra ny asa fitorianany Vaovao Mahafaly. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Mila faharetana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly satria mila fotoana ireo olona hitoriana vao ho afaka mandray ao aminy ny fiainana ny hafatr'i Kristy ary mila fotoana ihany koa ny hibebahany marina tokoa. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Manankarena ny fiangonana noho ireo karazam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina. Roa ny karazam-pahasoavana : ny fiantsoana amin'ny fandraharahana masina, ary ny fiantsoana hiaina amin'ny fomba samihafa ny fanahafana an'i Jesoa Kristy. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco