Fitandroana ny soa iombonana. Zavatra tsara ho an'olona no antsoina hoe "soa" eto, zavatra mampivelatra eo amin'ny fiainana. Zavatra mahavoafaoka ny maha-izy azy, manontolo, na ara-batana, na ara-panahy eny fa ny ara-tsaina ihany koa. Ny hetra haloa dia hofitsinjovana ny soa iombonana : hikarakarana ny fiainam-bahoaka. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Mila fanabeazana ara-pitondrantena ireo mpanao politika kristiana : fanabeazana mifototra amin'ny maha asa fanompoana ny vahoaka ny asa politika. fanabeazana ho fiantsorohana sy ho fanatanterahana ireo adidy sy andraikitra nankinin'ny vahoaka aminy ; fanabeazana mahakasika ny fampianarana sosialin'ny fiangonana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Ny toetra mampiavaka ny mpanao politika kristiana : maneho ny maha-mpaminany azy, misokatra amin'ny fahamarinana, mafafoy tena, mahay mifamela sy mifampizara araka ny fampianaran'i Kristy. Manana adidy hanameloka ireo fomba mangeja ny madinika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Miezaka ny hamaha ireo karazam-patorana mangeja sy manandevo ny olombelona ny kristiana lahika. Miara-miasa amin'ireo olona tsara sitrapo izy mba hahafahany manangana tontolo ankakan'ny rariny, tontolo mendrika hiainana ary manaja ny voalika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco