Tsy ny firehan-kevitra no ampy hamaly ny fihantsian'ireto fanamby ireto : ny fiitaran'ny tanàna, ny tontolom-piainan'ny tanora, ny toerana misy ny vehivavy, ny tsy fananana asa, ny fifindra-monina, ny herin'ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona. Feno 80 taona ny "rerum novarum" tamin'ny 1971, ary teo koa ny firoborobon'ny indostria. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny fampandrosoana dia "fizorana miala amin'ny tontolom-piainana tsy dia mendrika ny maha-olona, mankay amin'ny tontolom-piaianana mendrika ny maha-olona kokoa". Ny taona 1967 : ho fanatanterahana ny fanirian'ireo ray aman-dreny tao amin'ny konsily dia natsangan'ny Papa Paul VI, ny vaomiera Pontifikaly " rariny sy fiadanana". Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Asongadin'ny Papa Joany faha-23, amin'ity ansiklika ity ny fifandraisan'ny firenena samihafa mba hanafoanana ny fanavakavahana amin'ny endriny rehetra "racisme" sy ny hahafahan'ny firenena tsirairay mizaka-tena amin'ny fivoarana "autodeveloppement" ary ny mba hisian'ny fifanampiana "assisntance mutuelle". Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Tahirin-kevitra voalohany nantsoina hoe "ansiklika" izany hoe : nalefan'ny Papa Joany faha-23, ho an'ny olombelona tsara sitrapo rehetra. Ansiklika mampahatsiahy ireo manan-jo ho velona sy hisafidy ny fivavahana, ny endrim-piainany ny tsirairay. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco