Mangalatra izay maka na mitàna tsy ara-drariny ny fananan'ny hafa. Ireo izay manao ity voalaza itsy aloha dia manohitra ny voalazan'ny didy fahafito, ao amin'ny didy folo. Ny feon'ny fiheritreretana no manampy antsika hanao ny rariny sy araka ny finoana. Ny fitaka sy ny fanararaotra na fisandohana dia naman'ny mangalatra. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny tenan'ny olombelona ihany no mpanao, foibe ary tanjon'ny fiainana rehetra ara-piharian-karena sy ara-piaraha-monina. Izao no vahaolana tena izy momba ny fiaraha-monina : ny haren'ny zava-boaary nataon'Andriamanitra ho an'ny rehetra raha ny tena marina, dia tokony hipaka amin'ny rehetra, araka ny fahamarinana. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Tsy mahazo mihevitra na oviana na oviana an'izany harena izany ho toy ny an'ny tenany irery ihany ny olombelona. Ny fananan-tsamirery dia miainga amin'ny zo hananana fananana manokana, fa kosa azo hanasoavana ny hafa. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny zo hanampanana manokana tsy manafoana ny fanomezana hatrany ampiandohan'ny tany ho an'ny fitambaramben'ny olombelona. Ny anjara voatokana ho an'ny daholobe momba ny fananana dia mijanona ho fototra na dia takian'ny fampandrosoana ny "soa iombonana" aza ny fanajana manokana sy ny ny zony ary ny fampiasana azy. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco