Ny zanaka hendry no harena voalohany ho an'ny ray aman-dreny. Zanaka niriana sy vokatry ny fitiavan'ny mpivady ary araka ny sitrapon'Andriamanitra no anisany manampy be dia be amin'ny fitaizana ny zanaka. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

Loharano hipoiran'ny aina sy hitohizan'ny aina eto an-tany ny vehivavy ka mila hajaina. Fanivaivana an'Andriamanitra izay natera-behivavy ny herisetra amin'ny endriny samy hafa atao amin'ny vehivavy. Ny fahamendrehana omena ny vehivavy sy ny fahalalahana atolotra azy no miteraka fiadanana marina ao an-tokantrano sy eny anivon'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

Ny Papa Fransoa dia mampianatra antsika ny lanjan'ny vehivavy eo imason'Andriamanitra : fanivaivana an'Andriamanitra izay natera-behivavy, hoy izy, ny herisetra amin'ny endriny samy hafa atao amin'izy ireny, toy ny teny mandratra, horohorontsaina, ny tsy fanomezana vola hikarakarany ny tokantranony, ny fiheverana ny vehivavy ho toy ny fananan'ny lehilahy manokana. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Mahay manaja ny tenany sy hajain'ny hafa ny vehivavy rehefa hita sy tsapan'ny olona eny aminy ny maha-olom-banona nandray fanabeazana azy. Mila tena mianatra ny vehivavy mba tsy ho lasa fitaovam-pahafinaretana sy fitaovam-piterahana fotsiny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...