Antsoin'ny katesizin'ny Fiangonana Katolika ho " Mpandraharaha voahosotra" ireo nanokan-tena hanompo ny Eglizy ka " manao ny asany eo amin'ny Vahoakan'Andriamanitra amin'ny fampianarana, ny fanompoam-pivavahana ary fitantanana amin'ny maha-Mpiandry ondry". Misy ambaratonga telo izy : ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Antso ho amin'ny fahamasinana no antso tokana iantson'Andriamanitra ny olona rehetra, koa na iza na iza, dia nantsoina ho masina. Anjaran'ny tsirairay ny manamasina ny tenany ao amin'ny fiangonana amin'ny alalan'ny vavaka, ny fahaizany mitia an'Andriamanitra sy ny namany. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Ny tena mampizotra antsika amin'ny lalan'ny fahamasinana dia ny fanekena hibebaka ka hanaraka izay rehetra natorin'i Kristy ao Evanjely, hiainana ny didim-pitiavana ary hanaiky hitondra ny hazofijaliny. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Tsara ny manamarika fa ny fahamasinana misy fetra dia tsy azo lazaina ho fahamasinana velively fa fahamasinana mandalo no mety ilazana azy. Ny tena fahamasinana dia izay hiainana maharitra ka hahitana hafaliana na dia hisedrana ny mafy indrindra aza. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P.Wagner Randriamampiandry.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco