Tokony ho fohy sy mazava ary tsotra ny fombafomba anefa manankery ara-panahy. Tokony handray toerana lehibe ny Tenin'Andriamanitra amin'ny Litorjia. Ny Latina no fiteny fototra amin'ny Litorjia latina, saingy avela ampiasaina malalaka ny fitenin-drazana (langue vernaculaire) amin'ny ampahany sasany, amin'ny faneken'ny Eveka sy ny fiombonana amin'ny Ray Masina... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Tokony halamina tsara ny fombafomba sy ny fiarahana amin'ny fankalazàna. Tokony hanaja ny fitovian'ny mpino rehetra eo anatrehan'Andriamanitra, tsy hijerena tavan'olona ny fankalazàna. Ny fombafomba dia manambara sy manampy amin'ny finoana fa tsy "teatra ara-panahy" ; amin'ny alalan'ny teny sy famantarana dia mampita ny misterin'ny famonjena ny Litorjia... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny mpandray anjara manokana amin'ny fombafomba (mpamaky, mpihira, mpanotrona...) dia tokony hiofana tsara ara-panahy sy ara-litorjika. Samy manana andraikitra : tsy hanasongadinan-tena fa hanasoavana ny vahoaka ny fandraisana anjara amin'ny Litorjia, fanompoana tsy mitaky valiny. Tokony ho feno amim-pahalalana ary mavitrika ny fandraisan'ny vahoaka anjara... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Samy manana ny toetra maha-izy azy ny fombam-pivavahana sy ny fankalazana tsirairay. Raha azo atao dia tokony atao amin'ny fiombonana (vahoaka sy pretra) ny fankalazana rehetra. Ny fankalazana manokana dia natao ho amin'ny antony manokana ihany. Tsara ny mivavaka miaraka, indrindra ny fijoroana vavolombelona eo anatrehan'ny vahoakan'Andriamanitra... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...