Masindahy Antoine, ilay mpanirery no tsaroana ny 17 janoary. Teraka tany Egypte i Masindahy Antoine, niaina tamin'ny taona 251 izy ka hatramin'ny 356. Nampalaza an'i Antoine ny fampihaonana ireo olona nanirery tamin'ny fitsipi-piainana iombonana tany amin'izany toerana izany. Nahazo fanabeazana kristianina lalim-paka tamin'ny fianakaviany izy.

Fantatra amin'ny anarana hoe: Antoine Lehibe, na i Antoine d'Egypte, na Antoine l'Ermite na ihany koa hoe Antoine du désert. Raha tsiahivina kely ny fomba nahatongavany tamin'izany fiainan'ny mpitoka-monina izany dia teo amin'ny faha-18 taonany izy no maty ny ray aman-dreniny. Taoriana kelin'izay, naheno tao am-piangonana ny tenin'ny Vaovao Mahafaly izy hoe: "Raha te ho tonga lafatra ianao, mandehana amidio izay fanananao ary omeo ny mahantra ny vidiny". Noraisiny ho azy izay teny izay ary niriny ny hanatontosa izany an-tsakany sy an-davany. Nitokana tany an'efitra izy ary nivavaka sy niasa no nandaniany ny androny tany. Maty masoandro izy vao misakafo isan'andro ka mofo kely sy sira ary rano no mba sakafony. Matetika izy no mifady hanina mandritra ny efatra andro. Ary raha ny torimasokeliny indray dia eo ambony tsihy na tany tsy misy lafika na silice no mba hakany aina kely. Ny fibebahana sy ny vavaka no nikelezany aina.

Namely mafy ny fanenjehana tamin'izany ka nahatonga azy niverina tany amin'ny fiainan'izao tontolo izao. Hoy izy tamin'izay: "Andao hojerentsika ny fandresen'ireo rahalahintsika miady ho an'Andriamanitra. Handeha isika hiaraka hiady amin'izy ireo". Dia lasa tokoa i Antoine, nanala alahelo ireo mpianatr'i Jesoa Kristy ao amin'ny lakavy. Miaraka amin'izy ireo manoloana ny mpitsara sy mankahery azy ireo amin'izay didim-pitsarana mivoaka. Nahazendana ireo mpitsara sy mampijaly ny herim-po nananan'i Antoine, nivezivezy manoloana ireo martiry, nefa dia tsy maty tamin'izany izy fa hafa ny làlana natokan'Andriamanitra ho azy.

Rehefa nitsahatra ny fanenjehana dia niverina tany an'efitra i Antoine, nanorina trano fitokana-monina, ary lasa rain'ireo relijiozy samihafa tany. Asa tànana, an-tsam-piderana, famakiana boky masina, vavaka sy fifadian-kanina ary fiareta-tory no fiainan'izy ireo tamin'izany. Nanjaka tao amin'ity tany efitra ity ny toe-panahin'ireo mponina tao, ary i Antoine no fanahy nanetsika ny fiainan'izy ireo tany tamin'izany fiainan'ny mpitoka-monina izany. 105 taona i Antoine no nodimandry ary hafaliana lehibe no nandaozany ny tany. Toy ny hoe nahita ny lanitra nisokatra izy, ary ny Fanahin'ny lanitra no niara-dia taminy.

Nampalaza an'i Masindahy Antoine ny ady amin'ny demony. Nisy anidan-demony nikapoka azy, ary tena nahatorana azy mihitsy, mampijaly azy, fa tsy nampihontsona azy izany. Rehefa voaraokany amin'ny famantaran'ny Hazofijaliana ny demony dia hoy izy: "Tompo ô! Taiza Ianao?" dia hoy ny Tompo namaly azy "Antoine, niaraka taminao aho ary faly noho ny fandresenao".

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...