22 desambra — Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Masindahy Flavien, préfet de Rome tamin'ny andron'ny amperora Julien izy io. Ireo amperora kristianina dia nankasitraka ny fahendren'ity olomasina ity ka nahatonga azy ireo nanome andraikitra lehibe tao an-tanana.

I Masimbavy Daphrose no vadin'i Flavien ary i Masimbavy Bibiane sy i Démitri no zanany. Samy maty martiry avokoa ireo vady aman-janany ireo noho ny fifikirana tamin'ny finoana kristianina. Nasehon'i Flavien tamin'ny asa rehetra nataony fa mpanompon'i Jesoa Kristy izy, ary ny faniriany dia ny haneken'ny olon-drehetra ny Tompo, sy ny hitsaohana Azy.

Rehefa niezaka namerina ny arianisme ny amperora Constance, dia nitoetra tsy azo nohozongozonina tamin'ny finoana katôlika i Flavien. Resy lahatra izy fa tsy misy antony hiantsoana hoe Zanak'Andriamanitra ny Mpamonjy, raha tsy miaiky azy ho Andriamanitra aloha, izay tsy misaraka. Rehefa tonga teo amin'ny fanjakana ny amperora Julien, dia nopotehiny ny fivavahana kristianina, naveriny ny fanenjehana nataon'i Dèce sy i Aurélien, Dioclétien sy Maximien. Tsy nampihontsona an'i Flavien anefa izany fa nasehony hatrany ny fitiavana natoron'ny Evanjely azy. Raha sendra nisy kristianina novonoina noho ny finoana ohatra, dia izy no maka ny nofo mangatsiakan'ireo ary mitondra izany any an-trano sy mandevina amim-panajana.

Tsy tantin'ny amperora ny naheno ny fitiavam-bavaka nananan'i Flavien. Tsy nasiany lanjany akory ny taonany, ny fahendreny, ny asa vitany teo amin'ny fanjakana, ny toe-panahiny mendri-panajana, ny fahandrianany. Nomen'ny amperora Julien baiko i Apronien, haka ny toeran'i Flavien ka hisambotra azy sy hanasazy azy mafy raha tsy miala amin'ny fivavahana kristianina sy tsy manolotra sorona amin'ny sampy izy. Notanterahan'i Apronien ny baiko. Rehefa hitany anefa fa aleon'i Flavien very fananana sy aina toa izay hiala amin'ny finoana, dia nasian'izy ireo tomokavatsa tamin'ny vy ny andriny, ho marika fa andevo, ary nalefany sesitany tany Acquapendente tao Toscane. Noraisin'i Flavien ho fodiana an-tanindrazana ny fandefasana azy an-tsesitany noho ny anaran'i Jesoa Kristy. Ny vavaka no nandaniany ny androny tany, izay nisavany ny lalana ho any amin'ny Fanjakan'ny Lanitra. Teo am-pivavahana i Flavien no nantsoin'ny Ray handray ny valisoany any an-danitra.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...