13 desambra — Tovovavy avy any Syracuse, Italie, i Masimbavy Lucie. Tonga tany Catane, teo amin'ny fasan'i Masimbavy Agathe, izy niaraka tamn'ny renin'ny izay tratry ny fahaverezan-dra tsy nahitam-panafana. Rehefa avy nivavaka fotoana fohy teo izy dia sondrian-tory kely.

Nahita an'i Masimbavy Agathe tamin'ny nofiny izy, niteny taminy hoe : "Ry Lucie rahavaviko, nahoana no mangataka amiko izay mety ho azonao amin'ny finoanao ianao ? Efa sitrana ny reninao. Ho voninahitr'i Syracuse ianao ao aoriana kely, toa ahy ao Catane". Mba ho takalon'ny fahasitran-dreniny dia nangataka ny hiarovana ny fahadiovany amin'ny fahavirjiniana i Lucie, ka nanaiky izany ny reniny. Rehefa niverina tany Syracuse izy dia namidiny avokoa ny fananany, tsy naharototra azy intsony ireo fananany. Fotoana fohy tao aorian'io dia ny fofombadiny ihany no nitory azy tamin'ireo manam-pahefana teo amin'ny fanjakana hoe kristianina i Lucie.

Nampakarina fitsarana i Lucie, ary nodidian'ny governora izy hanolotra sorona amin'ny sampy. Nandà, ary tsy nanaiky mihitsy izy na dia teo aza ny fandrahonana rehetra. Saika nentin'ny mpampijaly azy tany amin'ny toerana ratsiratsy kokoa izy, fa niziriziry tsy nihetsika toy ny vatolampy teo. Nofatorana ny tongony sy ny tanany ary notarihina tamin'ny tady izy, fa tsy nisy vokany izany. Nasaina notrongisin'ny omby roa fa tsy nihontsona akory. Dia hoy ny ben'ny tanana : "Inona no herin'ny ratsy ampiasainao ?" Dia hoy i Lucie : "Tsy manana hery ratsy aho, fa ny herin'Andriamanitra no miaraka amiko". "Ka ahoana no ahafahanao, vehivavy tsy misy fotony io, handresy lehilahy aman'arivony ?" Fa novalian'i Lucie hoe : "Na iray alina aza tsy afaka hiady, hanohitra an'Andriamanitra". Tezitra izy ireo ka norarahany menaka sy dintin-kazo i Lucie ary nampirehetiny, nefa tsy sahy nikitika azy akory ny lelafo. Rehefa avy nitory ny fiadanana ho an'ny Fiangonana izy teo, dia novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra.

Any amin'ny Fiangonana any Europe dia tena ankalazaina amin'ny fomba mihavaka mihitsy ny andron'i Masimbavy Lucie. Any suède ohatra, mifidy tovovavy, ka antsoina hoe Lucia izy io. Io tovovavy io no mitarika ny vavaka mandeha eo aloha ataon'ireo vehivavy. Miakanjo fotsy ranoiray izay antsoina hoe Lucia amin'io fotoana io, ary manao fehikibo mena sy satro-boninahitra vita amin'ny labozia manodidina ny lohany. Ary ireo vehivavy miaraka aminy kosa dia mitondra labozia mirehitra tsirairay. Ny labozia mirehitra eto dia famantarana ilay afo tsy sahy nandoro an'i Masimbavy Lucie, tamin'ny fotoana nanaovana azy ho martiry. Ny fehikibo mena indray dia famantarana ny maha martiry azy. Mihira ny hira momba an'i Masimbavy Lucie ireo manao vavaka mandeha, miditra ny trano, ary rehefa vita izany dia tohizina amin'ny hiran'ny Noely. Tsy any Suède ihany anefa no manana izany fomba fanajana an'i Masimbavy Lucie izany, fa samy manana ny fomba hankalazany azy ny any amin'i faritr'i Europe sy États-Unis iny. Ohatra ny any Scandinavie, Italie, France, Danemark, Finlande, Island, Norvège... izy rehetra ireo dia samy manana ny fomba entiny manamarika izany andron'i Masimbavy Lucie izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...