12 desambra — Raha zohintsika ny tantara nahatonga izany fankalazana izany dia toa izao : Ny sabotsy 09 desambra 1531, nisy indiana nantsoina hoe Juan Diego Cuauhtlatoatzin, nankany amin'ny tananan'i Maxico mba haneho mari-panajana an'i Masina Maria. Rehefa nandalo eo am-pototry ny tendombohitra Tepeyac izy, dia tampoka naheno feo avy any an-danitra izy.

Voatarika izy hitodika eny amin'ilay tendrombohitra sy hihanika ny vohitra , ka tamin'izany no nahitany hazavana mamirapitra voaodidin'ny voninkazo maro loko. Nisy vehivavy tsara tarehy, miran'endrika, niteny taminy hoe : "Juan zanako, ho aiza ianao ?", dia hoy izy namaly : "Handeha hamonjy lamesa fankalazana ny Virjiny any Mexico aho Tompoko". "Ankasitrahako ny fanajanao sy ny fitiavanao. Izaho no Virjiny, Renin'Andriamanitra. Ny iriko dia ny hanorenana fiangonana tsara eto amin'ity toerana ity, ka hizarako ny fahasoavako sy ny fitiavako amin'ireo izay miantso ahy amim-pitokiana. Mandehana mankany amin'ny eveka eto Mexico, hoy ity vehivavy ity, ka lazao aminy izany sitrako izany". Mailaka ery i Juan Diego nampita ny hafatra, nefa ity eveka tao Mexico, nandray azy ho toy ny olona voan-javatra ka nandroaka azy. Niverina tany Tepeyac i Juan Diego ary nahita an'i Masina Maria Virjiny. Nasain'io niverina fanindroany tany amin'ny eveka izy. Noraisin'ny eveka tsara izy tamin'io, nefa nangataka porofo izy raha toa ka tena sitrapon'ny lanitra tokoa izany. Ny 10 desambra, nahita ilay Virjiny indray i Juan Diego, izay nampanantena famantarana ny ampitson'io. Nandritra io fotoana io anefa dia namangy ny dadatoany, narary mafy i Juan Diego. Ny 12 desambra, rehefa maika handeha hitady pretra tany Mexico izy, mba hanome sakramenta ilay dadatoany marary mafy, dia nandalo teo amin'ilay tendrombohitra, ary teo amin'ny kihon-dalana no hitany tampoka ilay vehivavy, niseho taminy ary nilaza hoe : "Efa sitrana ny dadatoanao, miakara ny tendrombohitra, hotazo ireo raozy ka omeo ny evekan'i Mexico".

Fotoana tsy fisian'ny voninkazo tamin'izany, ary ny vatolampy tao Tepeyac rahateo, tsy natao hanirian'ny raozy mihitsy. Dia lasa ihany ilay tantsaha, tsotra, nankato ny iraka tsy nihambahamba akory, ary raha nahita ny raozy namelana teo an-tampon'ny tendrombohitra izy, dia notazany io ary nafeniny tao anaty akanjony mandram-pahatongany tany amin'ny eveka. Rehefa tonga teo anoloan'ny eveka izy dia fahagagana roa no hitan'ny eveka teo. Ny voalohany, ilay voninkazo izay mbola velona tsara, ary ny sarin'ilay vehivavy niseho tamin'i Juan Diago, vita loko teo amin'ny lafiratsin'ny akanjony. Nanaomboka teo, nahita ny sary voatsodranon'ny Virjiny Masina ireo nanatrika, nandohalika avokoa ary tankin'ny hafaliana, tsy afaka nanao afa-tsy ny nigaga ilay Renin'ny Lanitra. Nalain'ny eveka tao Mexico ilay akanjon'i Juan Diego ary narentiny tao amin'ny chapelle mandram-pahavitan'ilay sanctuaire mba ahafahana mitahiry io relique masina io. Tonga tao avokoa ny mponina tao an-tanana mba hanaja ilay sary mahagaga, izay i Maria mihitsy no nanolotra azy ho an'ny zanaky ny tany. Ny 13 desamba dia tonga teny amin'ny vohitra ny evekan'i Mexico, niaraka tamin'ny vahoaka maro. Te hijery marina ilay toerana nisehoan'i Maria Virjiny tamin'ilay zanany niangaram-pitiavana, Juan Diego, izy. Tsy tadidin'i Juan Diego anefa ilay toerana ka tamin'ny alalan'ny fahagagana indray no nanoroan'i Maria izany teorana izany : nisy loharano niboiboika tampoka teo amin'ilay teorana nisehoany, hatramin'izay dia tsy nistahatra nikoriana io rano io, ary nanasitrana olona maro tamim-pahagagana. Niseho tamin'ny Juan Diego fanindiminy ilay Renin'Andriamanitra ka niteny taminy hoe : "Antsoy hoe Notre-Dame de Guadalupe, aho". Avy any Espagne io teny io, fa fiteny arabo no nipoirany, midika hoe reniranon'ny fahazavana. Araka ny fangatahan'ilay Virjiny Masina dia nanorenana fiangonana lehibe teo amin'ilay vohitr'i Tepeyac, mba hanajan'ny olona ilay sary nipetaka tamin'ny akanjon'i Juan Diego. Marihana fa ny 09 desambra no ahatsarovan'ny Fiangonana an'i Juan Diego, ilay olomasina nisehoan'ny Renin'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...