11 desambra — Teraka ny taona 305 i Damase. Nitoetra tao Roma izy, niaraka tamin'ny fianakaviany. Niditra tao amin'ny fikambanan'ny mpisorona izy ary tonga iray tsara laza tamin'ireo pretra. Diakra niaraka tamin'ny papa Libère no nahafantarana an'i Damase, ary nomen'io papa io andraikitra izy ho masoivoho any amin'ny amperora Valens sy Valentinien.

Tamin'ny taona 355, ny papa Libère, ilay mpiaro ny finoana tao Nicée, sy i Masindahy Athanase dia naongan'ny amperora Constance. Nanaraka azy tany an-tsesitany tany Thrace i Damase, ary rehefa maty ny papa Libère ny 24 septambra 366, dia i Damase no voafidy handimby azy. Tamin'izany dia nisy ireo antsoina hoe antipape, ka i Ursin no voafidy ho teo amin'izany toerana izany. Noho ny fialonany an'i Damase dia nampangain'i Ursin ho nampirafy i Damase. Tsy rototra tamin'izany tsaho izany izy, nefa mba ho soa ho an'ny Fiangonana dia naintso sinaody tao Roma izy, ka eveka efatra amby efapolo no nanazavany ny toe-java-misy. Noroahina tsy ho isan'ny Fiangonana intsony i Ursin sy ireo namany mpanenjika, ary tsy nahazo nonina tao Roma.

Na dia teo aza ny fahasahiranana dia nanome izay soa indrindra tao amin'ny Fiketrahana Masina nandritra ny taonjato fahefatra i Damase. Ny taona 369, araka ny torohevitr'i Masindahy Athanase, dia nampiantso kônsily tao Roma ity papa ity, izay nanameloka ny didy hitsivolana tamin'ny kônsily sandoka tao Rimini, izay nandà ny fiekem-pinoana tao Nicée sy nametraka an'i Auxence, izay arien, ho eveka tao Milan. Ny taona 373, niantso kônsily faharoa tao Roma i Damase ary nanameloka ireo fampianaran-diso marobe izay nanohintohina ny Fiangonana Tatsinanana. Nandritra io kônsily io no namoahan'ny papa Damase ny listry ny boky ao amin'ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, izay nambara fa nisy ny fanilovan'ny Fanahy Masina. Izy ihany koa no nandahatra ny Salamo hiraina sy nampiditra ny fampiasana ny "Voninahitra anie, ho an'ny Ray sy Zanaka sy ny Fanahy Masina", amin'ny famaranana, rehefa mihira ny Salamo. Ny taona 381, nisy kônsily lehiba faharoa ho an'ny Fiangonana tao Aquilée mba handravonana ny fisarahana nisy teo amin'ny Fiangonana tao Antioche. Nahatratra dimampolo amby zato ireo eveka avy amin'ny Fiangonana Tatsinanana niatrika izany : meloka i Arius sy ny mpanjaka Macedonius, velona indray ny finoana ôrtôdôksa. Ny papa Damase no papa fahafito amby telopolo, ary valo ambin'ny folo taona no nitantanany ny Fiangonana maneran-tany. Nodimandry teo amin'ny fahavalopolo taonany ny papa Damase Voalohany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...