02 desambra — Teraka tao Rome i Viviane, na i Bibiane ary fanta-daza tamin'ny toe-panahy kristianina sy ny fiandrianana ny fianakaviana. Flavien no rainy, préfet tao Rome izy io, ary nampidirin'i Julien tany am-ponja satria nibebaka ho kristianina. Nalefa sesitany tany Toscane izy ary maty tany.

I Viviane sy i Démitri rahavaviny ary i Daphrose reniny kosa, nijanona tao Rome, ary nampijalian'ireo tsy mataho-tody. Nohidiana tao an-tranony izy ireo ary navela ho fatin'ny hanoanana tao. Tsy naharitra ela anefa izay fijaliana izany, fa notapahan'izy ireo ny lohan'i Daphrose, ary nalain'izy ireo ny fananana rehetra. Tsy nijanona teo anefa fa nampijalian'izy ireo i Viviane sy i Démitri. Tsy nomena hanina izy mirahavavy kely ireto, avy eo nakarina teo amin'ny fitsarana ; ary hoy ny mpitsara taminy : "Mba matahora izao fahafatesana mahatsiravina sy mahamenatra izao". Fa hoy izy ireo : "Tsy manintona anay ny haren'izao tontolo izao. Ny manana an'i Kristy no fanirianay. Aleo maty toa izay hivadika amin'ny teny nataonay". Tamin'izay dia novonoin'izy ireo toe an-tongotr'i Viviane ilay rahavaviny, fa ho azy kosa, mbola nitohy ny ady. Nentina teo amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena izy : nosafosafoina sy noviraviraina, notambatambazana avy eo norahonana, nompaina, nokapohina. Niaritra izany tamin-kerim-po tokoa i Viviane na dia teo aza ny fakam-panahy maro natao azy. Nitoetra tamin'ny fahadiovana mba ho mendrika ilay vadiny any an-danitra izy. Leo ilay vehivavy ka nilaza tamin'ny mpitsara fa lany andro fotsiny. Tezitra noho ny tsy fahombiazana ilay mpitsara ka nasainy nokapohina tamin'ny firitsoka i Viviane, mandram-pahatapitry ny ainy. Nofatorana tamin'ny tongo-drihana izy ary karavasy misy tendrony vy no nikapohana azy mandram-pahafatiny ny 02 desambra 362. Natsipy tany amin'ny fako ny fatiny mba hoanin'ny alika, nefa tonga amin'ilay volazan'ny Soratra Masina hoe : "Miaro ny sisa-taolan'ireo olomasina Andriamanitra". Roa andro tao aorian'izay mantsy dia nisy pretra roa mahery fo, naka ny vatana mangatsiakan'i Viviane ka nandevina azy teo akaikin'ny reniny sy ny rahavaviny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...