09 ôktôbra — I Denis, dia eveka niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Teraka tao Italie izy ary nohamasinina ho pretra sy eveka ka nalefan'ny papa hitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule, niaraka tamin'ny eveka dimy hafa.

Tamim-pahombiazana no nanaovany ny iraka niaraka tamin'i mompera Rustique sy ny diakra Eleuthère. Rehefa tonga tao Lutèce (Paris) izy ireo dia nanorina foibe fampielezam-pinoana tao aminy nosy kely iray izy misy an'i Notre-Dame de Paris amin'izao fotoana izao. Tamin'io vanim-potoana io no nanjakan'ny amperora Dèce, izany hoe ny taona 250 hatramin'ny taona 252, ka nenjehina izy ireo hono ny fitoriana izay nataony. Nohidiana an-tranomaizina izy, ary notapahana ny lohany. Samy manana ny fitantarany moa ireo mpanoratra sy mpahay tantara fa araka ny Légende dorée dia nokapohina tamin'ny firitsoka aloha i Denis, avy eo nahiditra am-ponja ary nafatotra tamin'ny rojo vy, alohan'ny nametrahana azy tamin'ny talatalana mivoara menan'ny afo, avy eo natsipy hohanin'ny biby masiaka. Tsy nahafaty azy anefa izany ka nampijaliana teo amin'ny hazofijaliana indray izy ary naverina tany an-tranomaizina. Tao izy no nanao ny Sorona Masina niaraka tamin'ireo kristianina voafonja, ary tamin'izany no nahitany an'i Kristy, nitoindra kômonio ho azy. Marihana fa i Denis no eveka voalohany tao Paris, ary i mompera Rustique sy Eleuthère, diakra, dia niara-novonoina taminy ary niara-nalevina taminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...