24 septambra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Masimbavy Thècle izay resahana amin’ity androany ity. Avy ao amin’ny tanana antsoina hoe Iconium izy, ao Asie Mineure io. Zanak’olona mpanompo sampy sady mpanan-karena i Thècle, Théoclie no reniny.

Teo amin’ny faha valo ambin’ny folo taonany i Thècle no nanana fofombady an’i Thamyris izay tena tia azy tokoa. Fa tamin’izany fotoana izany ihany koa i Masindahy Paoly no nampiatranoin’i Onésiphore tao Iconium tao akaiky ny trano nisy an-dry Thècle. Rehefa mampianatra tao ny Tenin’Andriamanitra isan’andro ny atoandro sy ny alina i Masindahy Paoly dia miafina ao am-baravarakely i Thècle mihaino azy. Satria moa mpanompo sampy ny reniny. Akory ny hafaliana sy ny hasambaran’i Thècle maheno ny fampianaran’i Masindahy Paoly. Anisan’ny hevitra anankiray nisongadina tamin’ny fampianarana nataon’i Masindahy Paoly nanaitra azy ny hoe : “Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra”, “Sambatra ny mitandrina ny fahadiovan’ny vatany fa tempolin’Andriamanitra”, “Sambatra ny mandà an’izao tontolo izao fa ho raisin’Andriamanitra izy”, “Sambatra izay matahotra ny Tenin’Andriamanitra fa ankaherezina”, “Sambatra ny mandray ny fampianaran’i Kristy fa antsoina hoe zanaky ny Avo indrindra”, “Sambatra izay mitana ny batemy fa hahita ny fialan-tsasatra eo anilan’ny Ray sy ny Zanaka”, “Sambatra ny vatan’ny virjiny satria ny tenin’ny Ray ho azy ireo no asam-pamonjena amin’ny andron’ny zanany ary hahazo ny fialan-tsasatra mandrakizay”.

Nandritra ny telo andro dia niafiana tao amin’ny varavarakely hatrany i Thècle mba hihaino izany fampianaran’i Masindahy Paoly izany. Gaga sy talanjona i Théoclie sy Thamyris fofom-badiny nahita an’i Thècle nanadino ny fiainana an-tany, ary nifikitra tamin’ny fampianaran’ity vahiny nampiodina azy tsy hihevitra ny fanambadiana intsony. Gaga koa ny tao an-tanana, nosamborin’izy ireo i Masindahy Paoly ary nentin’izy ireo tany amin’ny governora, nofatorana sy nogadraina. Tonga namangy azy tany am-ponja i Thècle ny alina mba hianatra momba ny halehiben’Andriamanitra. Rehefa tratra tao am-ponja ary i Thècle dia samy nentina teo amin’ny governora izy ireo. Tsy nety namaly ny fanontaniana i Thècle ka hoy ny reniny hoe : “Dory io mba ho hitan’ny vehivavy rehetra ny fandavana ny fanambadiana”. Na dia tsy te hanao izany àry ny governora dia noroahany niala ny tanana i Paoly ary i Thècle kosa nohelohiny ho dorana velona. Nifampijery izy ireo ary hitan’i Thècle teo amin’ny endrik’i Masindahy Paoly ny endriky ny Tompo izay nankahery azy. Nanao ny mariky ny hazofijaliana izy dia niakatra teo amin’ilay kitay handorana azy. Rehefa nirehitra ny afo dia tsy nahakasika azy akory ary nipatrapatraka ny orana namono ny afo sy nahadobo ny toerana fandorana.

Dia lasa i Thècle nitady an’i Paoly indray, notarihan’Andriamanitra izy ka nahita azy niaraka tamin’i Onésiphore niafina tao amin’ny fasana iray akaiky ny tanana. Niaraka nakany Antioche izy ireo. Vao tonga tao an-tanana izy ireo dia nifanena tamin’i Alexandre indray, andriana manam-boninahitra teo an-tanana. Taitra tamin’ny hatsaran-tarehin’i Thècle i Alexandre, ka avy hatrany dia handeha hamihina sy hanoroka azy teo imasom-bahoaka. Niaro tena i Thècle notriariny ny akanjon’ilay andrian-dahy, nalany ny satro-boninahiny ary nalainy baraka. Namaly faty i Alexandre ka natolony ny governora mba homelohina homena ny biby indray i Thècle. Nafatotra tamin’ny liona izy fa nilela-paladia azy ilay biby, nomena hohaninin’ny biby dia masiaka hafa izy ny ampitson’io fa tsy nisy nikitika azy ireo biby ireo, satria narovan’ilay liona i Thècle. Nalatsaka tamin’ny rano avy any amin’ny hatsana izy hohanin’ny foque fa nisy afo tselatra nilatsaka tamin’ilay biby saika hihinana azy ka maty ilay biby. Rehefa tsy nahomby ny tetika rehetra dia nahafahan’izy ireo i Thècle. Niverina tany Iconium izy nitory ny hatsaran’Andriamanitra avy eo izy nakany Séleucie ary nonina tao niaiana ny famolahan-tena tany an-tendrombohitra. Nanao fahagagana izy, betsaka ireo olona tonga tao aminy. Nisy nanenjika anefa izy noho izany asa nataony izany ka niafina tao anaty lava-bato ary nidina tany ambanin’ny tany.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...