11 jona — Raha ny filazan’ny Asan’ny Apôstôly, i Barnabé dia Jody avy amin’ny fokon’i Lévi. Teraka tao Chypre izy io tamin’ny fotoana nanjanahana ny Jody tamin’ny vanim-potoanan’i Alexandre le Grand. Nobeazina tao amin’ny kolontsaina grika i Barnabé.

Tonga tao Jerosalema izy ary anisan’ireo kristianina tao amin’io Fiangonana voalohany araka izay voalaza ao amin’ny Asan’ny Apôstôly toko faha-4 : “nisy levita anankiray atao oe Josefa nomen’ny Apôstôly anarana hoe Barnaba, izany hoe avanana amin’ny fampaherezana. Teraka tany Sipra nana-tany izy ka namidiny dia nentiny ny vidiny sy napetrany teo an-tongotry ny Apôstôly”. Izay no voalaza ao amin’ny Asan’ny Apôstôly.

Voalaza ao amin’ireo tahirin-kevitra fa nivelona tamin’ny herim-pony i Barnabé nandritra ny asa fitoriana nataony. Fa ankohatra izay dia toa hoe nandalina ny Torah tany amin’ny sekolin’i Gamaliela i Barnabé, ary tany no nihaonany tamin’i Saoly, ilay lasa Paoly Apôstôly tany aoriana. Nirahin’ny Apôstôly nankany Antioche i Barnabé. Avy eo izy sy i Paoly namita iraka tany Chypre, nanohy an’izany tany Galasia, tonga tany Pergé, Antioche sy Pisdia, Komniome, Litra... ary avy eo dia niverina tany Antioche. Nanatrika ny kônsily tao Jerosalema ihany koa i Barnabé niaraka tamin’i Jude sy i Silas. Ary nitondra ny fanapahan-kevitra tao anatin’izany kônsily izany niverina tany Antioche. Niaraka tamin’i Jean-Marc i Barnabé avy eo ary niverina nankany Chypre. Voalaza fa maty martiry i Barnabé.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...