20 février — I Masimbavy Aimée dia avy amin'ny fianakaviana kristianina malaza tao Assise. I Masimbavy Claire, ilay nanara-dia an'i Masindahy François d'Assise no nenitoany ary i Frère Rufin no dadatoany.

Tovovavy tena tia rendrarendra sy fialam-boly i Aimée. Fa indray andro, namangy an'i Claire izy, tany amin'ny trano fitokana-monin'i Saint Damien. Tany izy no nanapa-kevitra fa hifidy ny fiainana relijiozy ihany koa. Nanomboka teo izy dia niaina tamim-panentren-tena manadram-pahatapitry ny fofon'ainy tao amin'io trano fitokana-monina io. Nodimandry ny taona 1252 i Aimée.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...