Ny Fiakarana, andro voadidy hohamasinina, dia 10 andro mialohan'ny pantekôty, andro nirotsahan'ny Fanahy Masina. Ny Diakra dia afaka mitso-drano ny ireo miroso amin'ny fandraisana ny Sakramenta Batemy sy ny Sakramenta Mariazy, raha toa ka mahazo alalana avy amin'ny Eveka na ny Pretra tompom-paritany. Ireo "Ministre ordinaire"-ny Sakramenta dia ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...