Manana andraikitra lehibe ny ray aman-dreny isan-tsokajiny mba hahay hifanampy sy hifanaja ; ny fanabeazana dia adidy tsy maintsy sahanin'ny ray aman-dreny : fanabeazana ara-batana, ara-tsaina amin'ny alalan'ny fanofanana, ara-panahy mifantoka amin'ny fifehezan-tena. Aoka isika rehetra mba hanara-maso sy hifehy ny tambazotra-tsôsialy sy ny serasera fa maro ny lafiny ratsy aterak'ireny ary matetika efa manimba ny fiainan'ny maro vao hita ka tara ny fandraisana andraikitra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...