Zava-dehibe eo amin'ny samy mpiara-belona ny atao hoe : fiombonana, firaisan-kina, fifankatiavana ary ny fifanajana sy fifanampiana. Maro ireo tanora no miniry ny hiasa any ivelany, ambaran'izy ireo fa tsy misy filaminana eto Madagasikara, ohatra ny olana arak'asa sy ny tsy fandriam-pahalemana toy ny vono olona, fakana an-kery, halatra... Tsy voahaja ny lalàna sy ny fitsipika eto Madagasikara ary mampivily lalana ireo miezaka manao ny ara-dalàna. Adidy lehibe ny fahaizana mamaky ny lalàna sy fahaizana mandray hanatra omen'ny ray aman-dreny sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny.

Adidy ny Eglizy ny manoro sy mampianatra ary mampiatra ny didim-pitiavana napetrak'i Kristy, satria velona iray trano ary maty iray fasana ; izay iray vatsy iray aina. Ny kendrena hoy ny Papa François dia : hasambarana amin'izay hatao rehetra anefa tsy ho tabatabain'ny fitiavan-tena na ny fitiavam-bola sy voninahitra ; tokony  ho nyfitiavana namana, ny fiombonana sy ny fandriam-pahalemana no hezahina fa izay no mitondra fiadanana sy hasambarana feno.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...