Ny fisolona tena ny tanàna na ny faritra na ny firenena dia faneohoana fitiavana tanindrazana. Miombona alahelo ho an'ireo izay nanana havana namoy aina tamin'ny loza nitranga nandritra ny fanokafana ny lalaon'ny nosy, ary mirary fahasalamana ho an'ireo naratra. Ny lalao dia mitaky fitsipika sy lalàna. Ny zava-maneno dia zava-dehibe ary mila fitandremana ny fifehezana azy, indrindra ny mikasika ny feo sy ny zava-maneno. Ireo olomalaza tamin'ny famoronan-kira sy fihirana dia saika olona niaina ny finoana avokoa...

Ny Pape Benoit-XVI dia mpitendry piano, Ny Pape Joany Paoly-II dia mpanao tantara an-tsehatra. Ny firotsahana ho fidiana dia isan'ny entina hanehoana ny fitiavana ny tanindrazana ; i Vatican no fanjakàna idealy amin'ny tsy fanavahana izay Papa mety ho voafidy hitantana azy ary eken'ny kristiana sy ny kardinaly rehetra ary ny eveka, izay mety ho Italiana, Frantsay, Espaniôla na avy amin'ny firenena hafa. Aoka hanana fahasahiana ireo izay tia tanindrazana mba hijoro hamita ny adidiny, aoka hafehy tena ny tsirairay amin'ny fampanjakana ny rariny, fitantanana ara-drariny, ny fifanajàna.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 febroary 2025

• Nanome hafatrafatra ho an'ireo mpitandro ny filaminana sy ireo miandraikitra ny filaminana eran-tany ny Papa François, nandritra ny fanamarihana ny Jobily 2025 ho azy ireo... • Hafatra ho an'ireo seminarista, indrindra ho an'ireo vao niditra taona voalohany, ao amin'ny Grand Séminaire Faliarivo Ambanidia, no natolotry ny Solontenan'ny Ray masina miasa eto Madagasiakara, nandritra ny Symposium notanterahana ny zoma sy ny sabotsy lasa teo... • Nanentana ny mpitandro ny filaminana hiahy sy hiaro hatrany ny ain'olombelona ny Papa François, nandritra ny toriteniny teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...