Ny fiavonavonana sy ny fahihirana dia isan'ireo fahotana fito fototry ny hafa, fa mifamatotra amin'izany ny fialonana. Ireo toetra ireo dia hita eny amin'ny tontolon'ny fiaraha-monina ary manimba zavatra maro. Maro ireo tsy mandray ny soso-kevitry ny olona manodidina azy fa miolonolona sy mampiseho avonavona. Maro ireo mpanan-karena mahihitra ka tsy mitsinjo ny tombontsoa iombonana.

Noho ny fisian'ny mpanan-karena mahidy sy ny mpitondra miavona no mampisy ny fialonana, ary io no fototry ny tsy fandrosoana. Tsy ny mpitondra tsy nanana fahaizana teto Madagasikara fa ny fialonana no nahatonga ny fahapotehana. Ny fialonana no miteraka korontana, tsy fandriampahalemana, fifanenjehana ary miteraka fifanaratsiana. Mba hialana amin'ireo toetra ratsy ireo dia ilaina ny fanetrentena, ny fahaizana mankasitraka ary ny fahalalan-tanana.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...