Ny Konsily anisan’ny goavana indrindra dia ny tao Trente (Trento) satria dia ny 22 mai 1542 no nampiantsoin’ny Papa Paul III izy io, ary notohizan’ireo Papa roa nandimby azy dia i Jules III sy i Pio IV (1545-1563), ka taorian’izany no nahazoantsika ny Mesaly Romanina navoakan’i Papa Pio V, izay mbola misy mampiasa mandraka ankehitriny. Ny Bulle Quo primum tempore navoakany ny 14 Jolay 1570 no namoahany azy ho an’ny Eglizy rehetra manaraka ny fomba Latinina. Maro ireo hevitra sy fampianarana mazava navoakan’ny Konsily tao Trente dia ny : Fiarovana ny Soratra Masina (atao hoe Volgata).

Foto-pampianarana momba ny fahotana tamin’ny fototra, ny mikasika ny fanamasina-tena sy ny fahasoavana, ireo Sakramenta, indrindra ny Eokaristia sy ny Lamesa na ny Sorona Masina, momba ny fanajàna ny Sakramenta Masina, ny fanajàna ireo sary masina, ny indolzansy. Fanamelohana ireo hevi-dison’i Lotera sy ny namany.

Ny Konsily Vatikanina I (Roma) kosa dia niezaka nandamina zavatra maro, saingy noho ny ady nipoaka dia nohafohezina ka tsy naharitra, fa vetivety dia novitaina (1869-1870), ka ireto no zavatra tapaka sy nampitainy, ka nahatonga ny fanomezana fahefana feno ny Papa hanao ny fampianarana "Ex-Catedra": Famaritana momba an’ilay Andriamanitra Mpahary, sy ny amin’ny Fanambaran’Andriamanitra, ny Finoana sy ny fifandraisany amin’ny saina mandinika, ny Eglizy, ny maha Filoha faratampony sy “tsy mety diso (infaillibilité)” ny Evekan’i Roma (Papa). Izay dogme nambara mazava ny 18 jolay 1870 ary nofenoina sy nohamafisin’ny Konsily Vatikanina II izany ny 21 novambra 1964.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...