Fotoam-pahasoavana ny Sinaody, hoy i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan’Antsiranana, ka manentana ny rehetra tsy ankanavaka izy mba handray anjara amin’ny fanomanana ny sinaodan’ny eveka hofaranana amin’ny oktobra 2023.

Mandritra ny 2 taona ny fanomanana izay hifantoka amin’ny lohahevitra hoe : Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana. Misy dingana telo ny hanatanterahana ny sinaody : eo amin’ny sehatra diosezanina, sehatra eo amin’ny kontinanta ary ny fihaonam-ben’ny eveka. Arahantsika ny fanazavana momba ity sinaodin’ny eveka entin’i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan’Antsiranana

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...