Nankahery ireo mpikirakira ny fitaovam-pifandraisana ny Papa François tamin'ny hafany ho an'ny Andro eran-tany faha-55 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, mba ho vavolombelon'ny marina: andeha, hijery sy hizara.

Adidin'ny mpilaza vaovao sy ny mpampita hafatra ny mitady ny loharanom-baovao sy miray hina amin'ny ady hanoherana ny fanovana ny vaovao sy ny kolikoly. "Andraikitsika ny manabe ny fiaraha-monina sy manafaka azy amin'ny haizin'ny tsy fahalalana", hoy i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'i Fianarantsoa, Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, manazava ny hafatry ny Ray masina.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...