Modely ho antsika rehetra i Masindahy Josefa amin'ny fahamarinany sy ny fahanginany. Lehilahy marina izy noho izy tsy nivadika tamin'i Maria. Tsy hay tohaina ny fitiavany an'i Maria. Tsy te hanala baraka ny vadiny izy ary noraisiny tsy am-pisalasalana ny iraka nankininan'Andriamanitra taminy.

Mampianatra antsika hiaina ny fahanginana izy mba hahafahantsika mandinika ny hevitry ny fiainantsika amin'izao tontolo feno tabataba izao. Fandaharana momba an'i Md Josefa, iarahana amin'i P Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien, Recteur du Petit Seminaire, Ambohipo, Antananarivo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...