Mandrisika ny olona handray ny voka-dehibe amin’ny sakramenta ny sakramentaly. Naorin’ny Fiangonana izy ireny mba ho fanamasinana ny andraiki-panompoana sasantsasany ao amin’ny Fiangonana, ny lalam-piainana sasantsasany, ny toe-java-miseho maro karazana tokoa eo amin’ny fiainana kristianina. Fanazavana momba ny hevitry ny sakramentaly entin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie

Mampirisika ny tanora tsy ho kivy amin'ny fiainana i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina. "Fenoy an'i Jesoa Kristy ny fiainana, n'inona mitranga. Halalino ny finoana, ary aoka tsy hatahotra ny amin'ny maha-kristianina katolika", hoy izy, tamin'ireo tanora nandray anjara tamin'ny JMJ Mada andiany faha-10. Nanentana ireo tanora izy mba hijoro amin'ny maha-izy azy sy ho mendrika hitokisana. Katesizy nataon'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, ny 01 septambra 2022, JMJ Mada X, Antsirabe.

Afaka mitaky ny zony ny kristianina ao amin'ny Fiangonana. Tsy maintsy mandalo fanamarinana anefa izany, mba hahafahan'ny tribonaly eo amin'ny Fiangonana mamakafaka sy manome ny rariny. Ohatra: ny tsy fahavanonan'ny mariazy. Misy dingana arahina, araka ny lalàn'ny Fiangonana, amin'ny fitakiana io zo io. Fanazavana entin'ireo pretra ao amin'ny tribonaly ekleziastika.

Tsy maintsy nijoro ho vavolombelon'i Jesoa ny Eglizy katolika manoloana ny rafitra ara-politika, ara-piaraha-monina ary ny fanabeazana. Notanterahina ny sinaody iombonan'ny Nosy tamin'ny 07 - 12 oktobra 1975. Tanjona ny fanafahana ny olona rehetra amin'ny lafiny manontolo. Fandaharana momba ny tantaran'ny Fiangonana eto Madagasikara miaraka amin'i P. Abdon Rafidison, Recteur, Théologat, Faliarivo, Antananarivo

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...