Nanomboka tamin’ny 26 Aogositra 2021 lasa teo ny fiofanana tao amin’ny sekoly iray izay tantanan’ny Salezianina ao Amerika. Sekoly mampiofana ny olona eo amin’ny lafin’ny fifandraisan’ny mpiara-belona. Miisa 83 ireo mpandray anjara ao anatin’izany sampam-piofanana momban’ny serasera izany, ary avy any amin’ny provinsy efatra ambin’ny folo mampiasa ny fiteny espaniôla.

Ny vaomiera misahana ny fifandraisan’ny mpiara-belona ato anatin’ny fikambanana salezianina no namolavola azy io, miaraka amin’ireo mpandrindra ny serasera avy any amin’ny faritra maro hafa.

Tamin’io fotoana nanombohan’ny fiofananas io no nandraisana an-dRamatoa Zaida Navarrete mpandrindra rezionalin’ny serasera ary taorian’izay no nandray fitenena ireo mpikambana telo ao anatin’ny vaomiera misahana ny serasera. Nampirisika izy ireo tao anatin’ny lahateny nataony avy mahakasika ity andrana efa manomboka manome vokatra ity, tsy amin’ny alalan’ny fianarana ireo lohahevitra mifandraika amin’ny serasera ihany, hoy izy ireo, fa eo ihany koa ny fanaparitahana ny harena ara-kolontsaina avy any amin’ny firenena tsirairay avy, ary indrindra fa ny talenta manokana izay misy. Teraka ny sekoly noho ny hetsika nataon’ny tetik’asa momba ny fanentanana sy ny fitantanana ny vaomiera misahana ny serasera (2020-2026), izay mifototra amin’ny tolokevitra avy amin’ny Mompera Lehiben’ny Fikambanana Salezianina maneran-tany taorian’ny « CG 28 » « Vivre le Sacrement salésien de la présence » (Priorité n°3).

Ny fandaharam-pianarana dia mikendry mba hampivelatra, hamolavola sy hanatsara ireo izay miandraikitra ny fitantanana ny iraka eo amin’ny fifandraisan’ny mpiara-belona any amin’ireo provinsy salezianina maneran-tany, izay miainga avy amin’ny fomba fijerin’ny Evanjely, sinaodaly salezianina sy ny mpandray anjara ao anatin’ny fifandraisana, mba ho mpitory ny Evanjely sy ho mpanabe ireo tanora ankehitriny. Maharitra enina ambin’ny folo volana ny fotoam-pianarana, ary manaraka ireo lohahevitra izay nodinihin’ny solontena isaky ny provinsy miandraikitra ny fifandraisan’ny mpiara-belona. Ny dimy amin’ireo no nofaritan’ny vaomiera.

Nisy ny fivoriana voalohany ampitain-davitra, notarihin’ny Mompera Gildasio Mendes, tompon’andraikitra voalohany amin’ny fifandraisan’ny mpiara-belona ao anatin’ny fikambanana salezianina. Tamin’io fotoana io dia nanolotra fomba fijery ara-Baiboly izy ny mahakasika ny fifandraisan’ny mpiara-belona, ary nisy ny fandinihina lahatsoratra iray narahin’ny fifampizarana.

Any Amerika dia ny ekipan’ny fifandraisan’ny mpiara-belona no tompon’andraikitra voalohany amin’ireo fandaharana sy ny fampitaovana, ampian’ireo solontena isam-paritra sy ny solotena isaky ny sokajy (gazety salezianina, radio salezianina, trano fanontana). Ny olona nasaina voalohany mba handray hanjara ao anatin’io sekoly io, dia ireo solontena isaky ny provinsy, ireo mpandrindra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajy ary ireo mpikambana ao amin’ny ekipan’ny fifandraisana ao amin’ny provinsy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...