Ny 16 ka hatramin’ny 04 avril 2020 no ho tanterahina any Turin-Valdocco ny “Chapitre générale faha-28” (CG28) ho an’ny Fikambanana salezianina. Hafatra roa lehibe no ampitain’izao fivoriam-be izao : ny fiverenana any Valdocco, trano foiben’ny salezianina, taorian’ny 62 taona lasa, ka  ny CG18 no natao farany tany, ary ny fivoriam-be handinihina ny hoe “salezianina toy inona no ilain’ny tanora ankehitriny?”

Ny fanentanana ho an’ny fikambanana dia ny hifantohana amin’ny endriky ny salezianina mba hamerenana ny halalina sy ny harem-panahin’ny fanomezam-pahasoavana manokana, sy ny « ny fahavononana hihaino araka izay tratra ny filan’izao vaninandrontsika izao », ao anatin’ny tranga rehetra iainan’ny salezianina

Voaantso avokoa ny saleziana, na tsy mivantana aza, hitondra ny anjara birikiny hanampiana ireo mpandray anjara amin’ity fivoriam-be ity hanazavana ny andraikitra. Miisa 242 ny mpandray anjara ka anisan’izany i P. Charles Armand Randimbisoa, lehiben’ny Fikambanana salezianian aty Madagasikara  sy P. Innocent Bizimana, misolo tena ny salezianina avy aty Madagasikara.

Tari-dalana telo no holalinina araka ny taratasy fiantsoana nalefan’ny Lehiben’ny Fikambanana salezianina maneran-tany. Manentana izy mba hamaly ny faniriana, “ny faniriana fatratra amin’ny maha-olombelona”, ny fanamafisana lalina kokoa ny aim-panahy, ary ny fifandrindrana eo amin’ny asa sahanina ho matotra kokoa.

Fanamby amin’izany ny fandalinana ny iraka ataon’ny salezianina eo amin’ny tanora ankehitriny. Ankoatr’izany, ity fivoriam-be ity dia tokony hanoritra ny toetra maha-izy ny salezianina izay miofana mba hanompo an’i Kristy sy ny tanora ankehitriny. Ary farany, misy ihany koa ny fifampizarana iarahana amin’ny laika momba ny iraka sy ny fiofanana ho an’ny ho avy. Sarotra ny olana dinihina amin’ity fivoriam-be ity nefa tena manan-danja tokoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...