Hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Coronavirus teto Madagasikara, fepetra maro no noraisina mba hiarovana ny fiparihany eto amin’ny firenena. .

Niteraka vokatra maro teo anivon’ny fianakaviana tsirairay avy ny fanapa-kevitra noraisin’ny fanjakana momba ny hamehana tsy maintsy nampiharina. Na dia teo ary ny fasahirana hita teo anivon’ireo fianakaviana maro, izay mitady ny hohanina anio, dia tsy nijery azy ireo fotsiny ny fikambanana salezianina eto Fianarantsoa.

Tamin’izany, mba entina hanamaivanana ny fahoriana tampoka nateraky ny aretina teo amin’ny fianakaviana, dia nanolotra vary sy atody, izay vokatra avy ao an-toerana ihany, ho an’ireo fianakavian’ny ankizy miisa 230 izay iandreketan’ny tetikasa TAIZA. Marihina moa fa efa fanindroany no nanaovan’ny fikambanana izao hetsika izao ary ny fizarana manaraka dia atao ny alatsinainy 27 Aprily izao. Ireny vokatra ireny dia avy amin’ny ezaka karemy 2020 ary ihany koa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fikambanana.
Mba ho mariky ny firaisan-kina teo amin’ireo nijaly sy tena sahirana ary koa ny fisian’ireo ONG sasany, nanomana vina ho an’ireo fianakaviana 635, izay ankizy avy ao amin’ny TAIZA, tanora avy ao amin’ny C.F.T. ary mpiasa ato amin’ny salezianina Fianarantsoa no mandrafitra azy. Izany no natao mba hentina hanampiana azy ireo be kokoa.

Marina fa tsy ny rehetra no afaka nisitraka izany fanampiana izany, fa kosa izay tsirambin’ny tanana nisy teo am-pelatanana no afaka namonjena ny fianakiviana sahirana nandritra izao fotoan-tsarotra izao.

Post-Noviciat Don Bosco Fianarantsoa

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...