« Hasambarana sy hafaliana ho antsika rehetra ! », izay ny firariantsoa omen'i Frera Dieudonné Stéphane, sdb, misionera any Guatemala, amin'izao fanombohan'ny taona 2020. "Manantena aho fa tsara fanombohana ho anareo rehetra ity taona ity". Zarainy amintsika eto àry ireo zava-nitranga mahafinaritra niainan'izy ireo.

Tamin-kafaliana sy amim-parahalahiana no nandraisana sy nankalazanay ny taona vaovao tany amin'ny ankohonam-piainainana nisy anay avy. Efa manomboka tsara ny taona ny vaovao. Samy nahazo ny tetiandrony ny sampan'asa tsirairay. Nisy ihany koa rahalahy nandao ity tany ity, hihazo ny paradisa.

Voaravaka hetsika samihafa ny volana janoary satria volan'ny fety ho antsika salezianin'i Don Bosco. Nomarihana tamin'ny fialamboly sy fanatanjahan-tena ny tapakandro tamin'ny fetin'ny olomasina mpiaro antsika, François de Sales. Hetsika notanterahina tao amin'ny ankohonam-piainan'ireo mpandalina teolojia, izay nandraisan'ny ankohonam-piainana rehetra anjara:  "Pré-noviciat", "Post-noviciat", "Théologat", "Cresco", "stagiaires". Nankalazaina manetriketrika amim-pahamendrehana ihany koa ny fetin'i Md Don Bosco, mpanorina sy raintsika. Maro ny hetsika nokarakarain'ireo sampan'asa sy sehatra isaky ny ankohonam-piainana: kolejy Don Bosco, paroasy, oratorio.  nandray anajara avokoa ny rehetra tamin'ireo hetsika ireo.

Eo am-pianadrasana ny vaovao manaraka, , "mirary taona 2020 mahafinaritra ho ampoky ny fahasambarana" ho anareo rehetra.

Miombom-bavaka.

Coadjuteur DIEUDONNE Bruno Stéphane, SDB

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...