Vakiteny voalohany
Boky Eksaody (Eks. 3, 1-8a. 13-15)
Ilay Misy no maniraka ahy ho aty aminareo.
Tamin’izany andro izany i Môizy dia niandry ny biby fiompin’i Jetrô rafozany, mpisorona tao Madiàna.
Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany an-tendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba, izy.
Ny Anjelin’ny Tompo niseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo, teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo.
Hitan’i Môizy fa indro mirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo, nefa tsy levona ilay zava-maniry milobolobo.
Ka hoy i Môizy:
“Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io,
sy hizaha izay tsy maha-levona ny zava-maniry milobolobo”.
Hitan’ny Tompo fa niolaka hijery izy;
dia niantso Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe:
“Ry Môizy! ry Môizy!”
Ka hoy ny valiny:
“Inty aho”.
Dia hoy Andriamanitra:
“Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io”.
Ary hoy koa Izy:
“Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba”.
Nosaronan’i Môizy ny tavany fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy.
Ary hoy ny Tompo hoe:
“Efa hitako ny fahorian’ny vahoakako izay any Ejipta
ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok’ireo mpamoritra azy: fantatro ny fijaliany.
Ka hidina Aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejipsianina,
hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity,
ho any amin’ny tany mahavokatra sy malalaka,
tany tondra-dronono aman-tantely,
dia any amin’ny tany onenan’ny Kananeanina.
Koa mandehana ianao amin’izao, irahiko ho any amin’i Faraôna,
hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako”.
Ary hoy i Môizy tamin’Andriamanitra:
“Izao àry, dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho, hilaza aminy hoe:
irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho aty aminareo.
Raha manontany izay Anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?”
Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy:
“Izaho no Ilay misy.
Izany, hoy Izy, no havalinao ny zanak’i Israely:
Ilay misy no maniraka ahy ho aty aminareo”.
Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy:
“Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Ny Tompo, Andriamanitry ny razanareo,
dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, Andriamanitr’i Jakôba,
no naniraka ahy ho aty aminareo.
Fa izany no Anarako mandrakizay;
izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 102, 1-2. 3-4. 6-7. 8 sy 11
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.
na:
Tsarovy izahay, fa be indrafo Ianao.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.
Ny Tompo mpanome rariny:
izay ampahoriana omeny hitsiny.
I Môizy nanehoany ireo fikasàny;
ny zanak’i Israely, ireo asany ambony.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tahaka ny lanitra mambomba ny tany,
ny fitiavany mambomba ny matahotra Azy.
Vakiteny faharoa
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 10, 1-6. 10-12)
Nosoratana ny fiainan’ny vahoaka niaraka tamin’i Môizy tany an’efitra, mba ho fananarana antsika.
Ry kristianina havana:
tsy tiako tsy ho fantatrareo, fa tambanin’ny rahona ny razantsika rehetra;
namaky ny ranomasina izy rehetra;
ary natao batemy tamin’i Môizy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina izy rehetra;
hanina ara-panahy iray ihany no nohanin’ny rehetra;
ary fisotro ara-panahy iray ihany no nosotroin’izy rehetra,
satria nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka azy izy ireo,
ary i Kristy izany vatolampy izany.
Tsy sitrak’Andriamanitra anefa ny ankabeazan’izy ireny,
fa lambam-bary tany an’efitra.
Ary izany zavatra izany dia tonga mba ho anatra ho antsika,
mba tsy hitsiriritra ny ratsy isika, toy ny nitsiriritan’ireny,
ary aoka ianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin’ireny,
ka matin’ny Anjely mpandringana izy ireny.
Nozoin’izany rehetra izany izy ireny mba ho anatry ny sasany;
ary nosoratana izany mba ho fananarana antsika tratr’izao andro farany izao.
Koa aoka àry izay manao ny tenany ho mijoro tsara, hitandrina sao lavo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)
Raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.
Tamin’izany andro izany,
nisy olona tonga nilaza tamin’i Jesoa ny nanjo an’ireo Galileanina,
fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany.
Ary novaliany hoe:
“Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny
dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra matoa nozoin-doza toy izany?
Tsia, hoy Izaho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.
Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe
no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema?
Tsia, hoy Izaho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra”.
Dia nanao ity fanoharana ity koa Izy:
“Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin’ny tanimboalobony,
ka nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita.
Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanimboalobony:
‘Indro efa telo taona izay no tonga nitady voa amin’ity aviavy ity aho, nefa tsy nahita;
koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo?’
Ary hoy ny mpiasa namaly azy:
‘Aoka re ho eo ihany izy amin’ity taona ity, tompoko,
dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika; angamba hamoa izy,
fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy’”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.