Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 20, 1-17)

Nomena tamin’ny alalan’i Môizy ny Lalàna.

Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:

“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anao,
na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony,
na ny eny amin’ny tany ambany,
na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao,
fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro:
ka amin’izay mankahala Ahy,
mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra;
ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa,
mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.

Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao.
Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao;
tsy hanao asa na inona na inona,
na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy,
na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao,
na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.
Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina,
mbamin’izay rehetra ao aminy,
fa ny andro faha fito dia nitsaharany,
ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.

Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 20, 1-3. 7-8. 12-17)

Nomena tamin’ny alalan’i Môizy ny Lalàna.

Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:

“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.

Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 18, 8. 9. 10. 11

Ianao ry Tompo, no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

Ny lalan’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy;
ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy:
ny fo falifaliany;
ny baikon’ny Tompo mazava,
fanilo ho an’ny maso

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay;
ny fitsaran’ny Tompo marina,
samy rariny avokoa.

Irìna noho ny volamena,
ny volamena madio miavosa;
mamy noho ny tantely,
ny toho-tantely mitsonika.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 22-25)

Izahay mitory an’i Kristy voafantsika izay hadalana ho an’ny olombelona, fa fahendren’Andriamanitra ho an’izay voaantso.

Ry kristianina havana,
ny Jody mila famantarana;
ny Jentily mitady fahendrena;
ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;
fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa amin’izay voaantso,
na Jody na Jentily.
Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona,
ary izay toa fahalemen’Andriamanitra, dia mahery noho ny herin’ny olombelona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-25)

Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana.

Akaiky ny Pakan’ny Jody,
ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
Ary hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromailala
ary ny mpanakalo vola nipetraka tao,
ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy,
dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly;
nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra,
ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromailala:

“Esory eto ireto,
fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko”.

Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe:

Ny fitiavako ny tranonao no maharìtra ny aiko.

Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe:

“Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?”

Dia namaly i Jesoa nanao hoe:

“Ravao ity Tempoly ity,
fa hatsangako indray amin’ny hateloana”.

Ka hoy ny Jody:

“Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity
ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e”.

Ny vatany anefa no Tempoly nolazainy.
Ary nony tafatsangan-ko velona Izy dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany,
ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.
Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka,
dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;
nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy,
sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy,
fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...