Vakiteny voalohany
Boky Jenezy (Jen. 9, 8-15)
Ny faneken’Andriamanitra tamin’i Nôe, dia ny hanafaka azy amin’ny safo-drano.
Taorian’ny safo-drano Andriamanitra
niteny tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy nanao hoe:
“Izaho dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin’ny taranaka mandimby anareo,
amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo,
na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra,
hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.
Manao fanekem-pihavanana aminareo aho:
tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra,
ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony”.
Dia hoy Andriamanitra:
“Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo,
amin’ny taranaka ho avy rehetra:
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko, sy amin’ny tany.
Ka rehefa hampiangona rahona ambonin’ny tany Aho,
dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra,
ka dia tsy hisy rano hanjary safo-drano mandringana ny nofo rehetra intsony”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 24, 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9
Ny teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko.
Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy;
ampianaro ahy ny soritrao.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
ianao no Andriamanitra Vonjiko.
Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
asehony azy ireo ny lalany.
Ny lalany: fahamarinana, fitiavana
amin’izay mitandrina ny fanekeny.
Izay matahotra ny Tompo tsy anafenany:
atorony azy ny fanekeny.
Vakiteny faharoa
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 3, 18-22)
Ny Batemy izay tenan’io tandindona io no amonjena anareo.
Ry kristianina havana,
na i Kristy aza niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina,
mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy,
fa novelomina tamin’ny fanahy.
Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina,
dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe,
mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsivitsy, dia valo monja,
sy namonjena azy ireo tamin’ny safo-drano.
Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io,
sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra,
no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
dia ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay,
ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, eken’ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 12-15)
Nalain’i Satana fanahy Izy, ary ny Anjely nanompo Azy.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra, ka nitoetra tany efapolo andro
dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia,
ary ny Anjely nanompo Azy.
Ary rahefa natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:
“Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.