Vakiteny voalohany
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 47, 1-9. 12)
Indro nisy rano nivoaka sy nidina avy ao ambanin'ny tokonan'ny Tempoly, ary velona avokoa izay nalehan'io rano io.
Tamin’izany andro izany,
dia nentin’ny Anjely niverina ho eo amin’ny varavaran’ny Tranon’ny Tompo aho.
Ary indro nisy rano nivoaka
avy ao ambanin’ny tokonan’ny Trano amin’ny lafiny atsinanana,
fa nitodika niantsinanana ny anoloan’ny Trano;
ka nidina ny rano avy ao ambanin’ny lafin-trano ankavanana
tao atsimon’ny ôtely.
Nentiny nivoaka tamin’ny alo-baravarana avaratra aho,
dia nasainy nanodidina eo ivelany aho
mandra-pahatonga eo amin’ny alo-baravarana ivelany
mitodika miantsinanana:
ka indro ny rano nandeha tamin’ny lafiny ankavanana.
Nony tafavoaka niantsinanana ralehilahy
nitondra kofehy teny an-tanany,
dia nandrefy arivo hakiho izy,
ary nentiny nita ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
Nandrefy arivo hakiho indray izy,
dia nentiny nita ny rano aho, ka halohalika ny rano.
Nandrefy arivo hakiho indray izy,
dia nasainy nita ny rano aho, ka hatreo amin’ny andilana ny rano.
Nandrefy arivo hakiho indray,
ka efa ony maria tsy azoko nitana intsony,
fa nihalalina ny rano;
efa rano itana milomano, ony maria tsy azo itana amin’izao.
Ary hoy izy tamiko:
“Ry zanak’olona, nahita va ianao?”
Dia nentiny niverina teo amoron’ny ony maria aho.
Nony nitodika aho dia nahita hazo be dia be
teo amoron’ny ony maria eo andaniny roa.
Hoy izy tamiko:
“Ity rano ity dia mandeha mankany amin’ny faritany atsinanana,
hidina ho any amin’ny tany lemaka
vao hiditra ho ao amin’ny ranomasina;
hoentina mankany amin’ny ranomasina izy,
dia ho tonga mahasalama ny rano.
Ny zava-manana aina mihetsiketsika
any amin’izay halehan’ny ony roa, na aiza na aiza,
ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano;
satria raha vao tonga any ity rano ity
dia ho tonga mahasalama ny ranomasina,
ary hahavelona avokoa izay halehan’ny ony maria.
Eo akaikin’ny ony, amin’ny morony an-daniny avy,
hisy hazo mamoa isan-karazany haniry,
ka ny raviny tsy mba halazo,
ary ny voany tsy mba hitsahatra.
Hamoa voa vaovao isam-bolana izy,
satria hivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony;
ny voany ho fihinana tsara
ary ny raviny ho fanasitranana tsara.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo (Sal. 45, 2-3. 5-6. 8-9)
Ny Tompon’ny tafika momba anay, ny Andriamanitr’i Jakôba ho fiarovana-avonay!
Andriamanitra ny anay no aro sy hery, hita hatra ny ela fa mamonjy amin’ny sarotra.
Koa tsy atahoranay izay tany hihozona,
izay vohitra hihovotra afovoan-dranomasina.
Andriamanitra mampifaly ny tanànany amin’ny ony misampana,
ilay Avo manamasina ny Fonenany. Andriamanitra eo anivony: tsy mihontsona izy,
Andriamanitra mamonjy azy raha madiva haraina.
Ny Tompon’ny tafika momba anay,
ny Andriamanitr’i Jakôba no fiarovana-avonay!
Tongava hizaha ny asan’ny Tompo,
ny zava-mahagaga vitany eran-tany.
Evanjely
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 1-3a. 5-16)
Niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy.
Tamin’izany andro izany,
niakatra tany Jerosalema i Jesoa
fa nisy andro fety tamin’ny Jody tamin’izay.
Ary any Jerosalema ao akaikin’ny vavahadin’ny ondry,
dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin’ny teny hebrio,
izay misy trano heva dimy.
Nisy marary maro nandry tamin’ireo trano ireo.
Ary nisy lehilahy anankiray
narary hatramin’ny valo amby telopolo taona teo.
Nony nahita azy nivalandotra i Jesoa,
sady fantany fa efa ela no naharariany,
dia hoy Izy taminy:
“Te-ho sitrana va ianao?”
Ary hoy ny navalin’ny marary:
“Tompoko, tsy mba manana olona
handroboka ahy amin’ny dobo aho rahefa mihetsiketsika ny rano;
ka nony mba mandeha aho,
dia ny hafa, no tafidina alohako.”
Hoy i Jesoa taminy:
“Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana.”
Niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy,
ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha.
Ary sabata ny andro tamin’izay.
Ka hoy ny Jody tamin’ny vao sitrana:
“Sabata ny andro
ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao Ianao.”
Fa hoy ny navaliny azy:
“Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe:
Ento ny fandrianao ka mandehana.”
Dia hoy ireo nanontany azy:
“Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe:
Ento ny fandrianao ka mandehana, izany?”
Tsy nahalala Azy anefa ilay vao sitrana,
fa ny vahoaka moa betsaka,
i Jesoa koa niala teo.
Taorian’izany dia hitan’i Jesoa tao an-tempoly ralehilahy
ka hoy Izy taminy:
“Indro fa sitrana ianao, ka aza manota intsony
sao dia ratsy noho ny teo indray ny manjò anao.”
Dia lasa ralehilahy nilaza tamin’ny Jody
fa i Jesoa no nahasitrana azy.
Koa nanenjika an’i Jesoa ny Jody
satria nanao izany tamin’ny andro sabata Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.