Vakiteny voalohany

Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 14, 2-10)

Aoka isika tsy hilaza hoe: Avy amin’ny asan-tananay ny Andriamanitray.

Izao no lazain’ny Tompo:

“Miverena amin’ny Tompo ry Israely,
fa ny helokao no nahalavo anao.
Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo,
ka miverena amin’ny Tompo;
lazao aminy hoe:

‘Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara.
Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy
ny teny avy amin’ny molotray.
I Asora tsy hamonjy anay,
izahay tsy hitaingin-tsoavaly’,

na hiteny hoe:

‘Ry Andriamanitray ô!
amin’ny asan’ny tananay.
Ianao izay ahitan’ny kamboty fiantrana!’

Hositraniko ny fiodinany;
ho tiako amin’ny foko tokoa izy,
fa efa niala taminy ny fahatezerako.
Ho toy ny ando Aho amin’i Israely;
ka haniry toy ny lisy izy,
ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna.
Ny rantsany hisandrahaka:
ny voninahiny, ho toy ny fototr’ôliva,
ary ny fofony manitra ho tahaka ny an’i Libàna.
Izy ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony,
hampahavokatra ny vary indray;
haniry toy ny voaloboka izy;
ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany.
I Efraima, inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy?
Izaho no efa mamaly ny fangatahany
sy mitsinjo azy tahaka ny sipresa maitso Aho;
Izaho no iavian’ny voanao.
Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany,
izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina.
Fa mahitsy ny lalan’ny Tompo;
ka ny marina no hizotra eo,
fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 80, 6d-8a. 8bd-9. 10-11ab. 14 sy 17)

Izaho no Tompo Andriamanitrao, mandrenesa re, ry Israely.

Fa inona moa izany teny reko,
toa teny tsy fantatro, teny hafa:
nalàko eo an-tsorony re ny bao
sy ny enta-mavesatra nolanjainy.

Niantso raha ory ka novonjeko,
tanaty oram-baratra novaliako.
Ianao, ry vahoakako mihainoa.
Ry Israeliko, mandrenesa.

Tandremo mitsaoka andriamani-kafa,
mandray ny andriamanitr’ireo vahiny.
Fa Izaho re no Tompo Andriamanitrao,
nampakatra anao avy tany Ejipta!

Indrisy raha nihaino Ahy ireo olon-tiako,
ka i Israely nanaraka Ahy:
Ny oloko ho nomeko vary kanto,
niampy tantely tam-batolampy!

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

Ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana, ary tiavo Izy.

Tamin’izany andro izany,
nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa
sy nanontany Azy hoe:

“Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?”

Ary i Jesoa namaly azy hoe:

“Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity:

Mihainoa, ry Israely:
Ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana
koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao
amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra,
sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra.

Izany no didy voalohany.
Ary ity no faharoa mitovy aminy koa:

Tiavo ny namanao, tahaka ny tenanao.
Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.”

Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy:

“Tsara izany, ry Mpampianatra.
Marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra,
ary tsy misy hafa afa-tsy Izy,
ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra,
sy amin’ny fanahy rehetra,
ary amin’ny hery rehetra,
ary ny tia namana tahaka ny tena,
dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra
sy ny fanatitra hafa rehetra.”

Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy,
dia hoy Izy taminy:

“Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”

Ary hatramin’izay,
dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...